Zava-mahadomelina : Nodorana ireo crystal Méthamphétamine

Nodorana sy nopotehina omaly, tetsy amin’ny sampanana Ambohitrimanjaka ny “Crystal Méthamphétamine”, milanja 10,9 kilao. Karazan-java-mahadomelina mahery vaika izay ampiasan’ny olona sy hita misy mivarotra eny amin’ny takotakona eny izy ity. Nanatanteraka ny fandorana izany ny Poli­sin’ny Stup sy ireo mpitsara nanome alalana ny fandorana.
Tsiahivina fa tratran’ny polisy miady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) ny 12 aogositra 2025 teny Ampasampito Am­bohimirary ireo rongony ireo. Lehilahy iray no tratra nivarotra antsokosoko izany. Nosamborina izy ary nohadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy. Taorian’ny famotorana nataon’ ny mpitandro filaminana, nalefa eny amin’ny fonjaben’i Tsia­fahy io lehilahy io, ny 16 aogositra 2025 lasa teo.
Ankoatra izay, teratany vahiny Tanzaniana iray no mpamatsy ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireo eto amin’ ny Nosy. Efa voasambotra ihany koa izy io ary efa migadra eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika izao he­tsika atao izao. Antoka iray mampirongatra ny trangana tsy fandriampahalemana ny fidorohana zava-mahadomelina.

Mino

Partager sur: