Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Mahamasina, omaly maraina tamin’ny 10 ora ny lehilahy iray. Nisoloky sy nampiasa vola sandoka eny amin’ny Cash point iray tetsy Ankadimbahoaka ny tenany. Mody mametraka vola 1 hetsy Ariary eny amin’ny Cash point io olon-dratsy io. Mitondra roa alina ariary miisa dimy izy, roa amin’ ireo ihany no vola tena izy ary sandoka avokoa ny ambiny. Ataony farany ambony ireo vola tena izy mba hanafenany ireo tsy tena izy. ny 2 alina Ariary miisa dimy kosa dia vola sandoka avokoa. Nahatsikaritra izany ny mpikirakira vola teo amin’ilay Cash point ka nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana nitrangan’ny fisolokiana ny polisy. Nosamborina sy nanaovana fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny kaomisaria ny tenany taorian’izay. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ ny fanaovana hosoka izao hetsika izao.
Ankoatra izay, vehivavy iray hafa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy nanomboka omaly. Malaza amin’ny fisolokiana vola any anaty taksibe ny tenany. Mody nitaky ny famerim-bolany amin’ny reseveran’ny fiara izy io, rehefa tafiditra elaela anaty fiara. Lazainy fa 5 000 Ariary ny vola nomeny. Samy niteny ny rehetra tao anaty bus fa tsy nanome saran-dalana akory io ramatoa io, izay samy nahatsikaritra izany. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy moa izy amin’ izao. Manao mody adala ary milaza tsy mahafantatra ny mombamomba azy izy io rehefa nohadihadian’ny polisy.
Mino




