Taorian’ny fiparitahan’ny tranga mahakasika fandikan-dalàna nataon’ny taxi-be 015 iray tamin’ny tambajotran-tserasera, afakomaly. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisim-pirenena ka nikaroka ilay fiara. Vokany, voasambotra omaly tolakandro, tetsy Maroroho Tsimbazaza ny mpamily sy ny mpanampy mpamilin’io fiara io. Nentina sy notazomina ary miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade des accidents de la circulation (Bac) Tsaralalàna izy ireo. Tsy maintsy nafindra fiara hafa ireo mpandeha tao anatin’io fiara fitateram-bahoaka io. Naiditra ambalam-pamonjana kosa ilay fiara taorian’ izay.
Tsiahivina fa nisehoana fitohanan’ny fiara lavareny tetsy Maroroho Tsimbazaza, afakomaly. Niala izany io fiara io ary nandeha tamin’ny lalana havia, izay andehanan’ny fiara mifanohi-dalana aminy. Nakariny tamin’ny (trottoir) lalan’ny mpandeha an-tongotra ny kodiaran’ny fiara havia. Mandeha mafy izy rehefa tsy misy fiara mandalo. Nisy fiara nifanena tampoka anefa ary nahatonga fitohanan’ny fiara tamin’ny lalana. Nisy mpandeha naka sary io fandikan-dalàna nataony io ary nanaparitaka izany tamin’ny tambajotran-tserasera.
Mino




