Fikasihan-tanana vehivavy bevohoka : Naiditra vonjimaika am-ponja ilay ben’ny Tanàna

Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Feno­arivo Atsinanana, afakomaly, ny ben’ny Tanànan’ny kaominina Antsiatsiaka, disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Ran­driamanana Jean Fidel, taorian’ny fiakaran’ny raharaha fampanaovana teny anivon’ny fitsarana. Naharitra ora maro ny fihainoana ny niharam-boina sy ny vavolombelona ary ny fitanana an-tsoratra ilay voarohirohy sy ireo mpiara-dia aminy. Vesatra anenjehana azy ny fikasihan-tanana vehivavy mitondra vohoka. Vo­katry ny vono nahazo io ramatoa io, niteraka fahafahan-jaza teo aminy izany. Ankoatra izay, mbola nanambana olona iray hafa tamin’ny basy ihany koa izy io tamin’izany.

Nanambara ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Fenoarivo Atsinanana fa mitovy ary tsy misy ambonin’ny lalàna ny rehetra. Tsy azo ihodivirana ihany koa ny andraikitry ny tsirairay eo anatrehan’ny lalàna. Ankoatra izay, nambarany fa natao hiarovana ny vahoaka ny lalàna, ary anjaran’ny rehetra ny manaja sy mitandrina izany, mba hisian’ny fiarahamonina milamina sy mirindra.

Mino

Partager sur: