Fikasana hangala-bary : Namono tena tamin’ ny poizim-boalavo ilay mpiambina

Maty namono tena tamin’ny poizim-boalavo, ny talata lasa teo, ny lehilahy iray 23 taona. Mpiambina trano fitehirizam-bokatra iray eny Fonenana, kaominina Imerintsiatosika, distri­kan’Arivonimamo izy io. Nikasa hangalatra vary akotry tao amin’io toerana nandrasany io izy. Efa nitondra fiara hitaterana ireo vokatra saingy nampandre ny tomponandraikitra ny mpamilin’ny fiara. Naharay antso avy amin’olona tsara sitrapo, monina etsy Ambohidrapeto Itaosy, ny tobim-paritry ny Zan­darimaria Imerintsiatosika, ny talata tamin’ny 01 ora sy sasany tolakandro. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Imerintsiatosika taorian’ny antso.
Namono tena tamin’ny alalan’ny fihinanana poizim-boalavo avy hatrany izy, rehefa nahafantatra fa traingo ny teti-dratsiny saika hangalatra. Efa narary mafy izy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny an-toerana, raha ny tatitra voaray hatrany. Nentina nialana nenina teny amin’ny CSB II Imerintsiatosika izy, saingy tsy tana intsony ny ainy.

Mino

Partager sur: