Tsenan’Anosibe : Lehilahy roa tratra nandroba mpivarotra

Voasambotry ny mpiambina sy ny fokonolona tetsy amin’ny Tsenan’Anosibe, omaly tamin’ny 4 ora tolakandro, ny jiolahy roa. Nanafika toeram-pivarotana iray teny an-toerana ny lehilahy telo tsy nisaron-tava sy nirongo basy. Namba­nan’izy ireo tamin’ny basy ilay mpivarotra ary nitaky ny vola rehetra tao amin’io fivarotana io izy ireo. Niantso vonjy sy ni­kiakiaka anefa ilay lasibatra ka novelesin’ireo olon-dratsy ta­min’ny vodibasy ny lohany. Naratra mafy vokatry ny daroka nahazo azy ilay lehilahy mpivarotra. Nentina teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefilo­ha mba hahazo ny fitsaboana sahaza azy. Naheno ny antso vonjy nataon’io mpivarotra io ny olona sy ny Sécurité ao Ano­sibe tsena Anatiny (FSata) ka niray hina nanenjika ireo jiolahy. Voasambotra nandritra izany ny roa tamin’izy ireo, raha tafaporitsaka ny iray. Efa niasa tao amin’ilay tsena fivarotana nokasainy horobaina ihany ny iray tamin’ireo olon-dratsy.
Ankoatra izay, lehilahy roa hafa tratra nikasa handroba vola tao amin’ny sekoly iray teny Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo, omaly atoandro. Niditra an-ke­riny tao anatin’ny sekoly, na­nambana tamin’ny antsy ma­ranitra ilay talen-tsekoly ity fa­rany ary nitaky ny vola rehetra. Niantso zandary ireo mpampianatra niafina. Tonga nijery ny zava-misy avy hatrany ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiro­ka. Azo sambo-belona ny iray, 24 taona, raha toa ka nitsoaka tamin’ny moto ny iray hafa. Mpampianatra, 23 taona, teo anivon’io sekoly io ihany ny tompon-kevitra naniraka ireo jiolahy ireo, raha ny tatitra. Voa­­sambotra ihany koa moa ity farany taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary

.
Mino

Partager sur: