Asa sy fampananana asa ao Toamasina : Ambony ny tahan’ny asa tsy manara-drafitra

Faritra iray azo lazaina ho ambony amin’ny tahan’ny tsy fananana asa manara-drafitra ny any amin’ny faritr’ Atsinanana. Amin’ ny ankapobeny, ambony ny tahan’ny olona miasa-tena, afaka mitady vola ivelomana isan’andro.

Anisan’ny angom-baovao notrandrahina nandritra ny fitokanana ny birao hisahana ny asa sy fampiofanana arakasa, ny 11 aogositra teo, tao Tanambao faharao izany. Lanonam-panjakana notarihan-dRazakaboana Hanitra Fitiavana, minisitry ny Asa, asam-panjakana ary ny fampiofanana arakasa. No­tronin’ireo solontenam-panjakana maro teto an-toerana ary nohamafisin’ireo orinasa lehibe izay mpanohana ny tetikasa ho fampiofanana sy handrindra ny fampananana asa ho an’ny tanora. Amin’ny ankapobeny, natao ity ivontoerana ity mba hanangonana ny filan’ny mpitady asa, arakaraka ny fahaiza-manao sy ny traikefany. Tohanan’ny Spat, CHGV, SMMC ary ny tetikasa Ambatovy ity ivontoerana ity, mba hialana amin’ny fanafarana olona ivelan’ i Toamasina.
Nankasitrahin’ny minisitra ny ezaka nataon’ireo sehatra tsy miankina efatra lehibe tamin’ny tolo-tanana nataon’izy ireo. Anisan’ny miantoka zato isan-jato ny fanorenana ny trano, fampitaovana enti-miasa ho an’ny mpitantana ny birao ary ny wifi azon’ny rehetra ampiasaina izany. «Fa­nambin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, rahateo ny hamahany ny olan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara», hoy ihany izy.
Fitaovana iray hanampy ny zatovolahy sy vavy hitady asa izy ity ary manampy ihany koa ny orinasa hitady mpiasa. Ho an’ny tetikasa Volobe izay nisolo tena ireo orinasa efatra mpiara-miombon’antoka, hanao ezaka hifandray amin’ ity ivontoerana Mefra (Maison de l’emploi et de la formation de la région Atsinanana, izy io. Mba hampifandray tsara ny filan’ny orinasa amin’ny olona hitady asa. “Hanampy, araka izay, azo atao hampiofanana ireo tanora lahy sy vavy mba hananany fahaiza-manao sy hifehezany ny fitantanana ny asa efa sahaniny sy hataony”, hoy kosa Rémy Huber, tale jeneralin’ny CGHV.

Hatomboka eny anivon’ny sekoly ny fampiofanana
Ho an’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, hatomboka eny anivon’ny sekoly ny fampiofanana ireo katitakely. Jerena sy fantarina ny asa mety ho tiany rehefa lehibe. Apetraka ihany koa ny sampana iray hisahana izany amin’ireny sekoly ireny, hanao ny fitsirihana. Ankilany, hanaovana fitsirihana manokana ihany koa ireny ankizy tsy ampy taona mirenireny tsy mianatra ireny. Homena fampiofanana izay sahaza azy mba hanana fomba entina hitady vola raha ohatra ka tsy afaka hianatra intsony. Tanjona ny hanafoanana ny firenirenena izay hitarika amin’ny halatra sy asan-jiolahy rehefa lehibe. Ham­piofanina ihany koa ireo mpitondra posy sy bajaj amin’ny fomba fanajana mpandeha, fahadiovana, ary ny lalàn’ny fifamoivoizana.

Maro ny asa tsy manara-drafitra

Anisan’ny mbola olana eto Toamasina ny fahambonian’ny tahan’ny asa tsy manara-drafitra. Raha tsy hilaza afa-tsy ny sehatry ny jono, hatramin’ny fivarotana ny vokatr’izay entina mandehandeha mamakivaky tanàna, ny karazana asa tanana, ny mpanenona vy, mpibata entana. Manampy izany ireo mpanera, mpanao trano toy mpandrafitra, ny asa ho an’ny olona tra-pahasembanana betsaka amin’izy ireo rahateo mbola tsy an’asa ihany koa. Raha ho an’ i Toamasina manokana, manodidina ny 60 isan-jaton’ny asa dia saika asa tsy manara-drafitra avokoa. Ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa miakatra ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara. Raha tsorina dia azo lazaina ho tsara ny tahan’ny fananana asa teto Madagasikara, ny dimy taona lasa. Vokany, hita soritra ny ankabetsahan’ny fotodrafitrasa aorian’ny fitondrana amin’ izao fotoana izao , raha tsy hilaza afa-tsy ny tetikasan’ny Filoham-pirenena manerana ny Nosy. Etsy ankilany, ireo fiforonan’ny orinasa tsy miankina toy ny fanitarana ny seranan-tsambon’ i Toamasina sy i Mahajanga, ny tetikasa Volo be faharoa, ny fanamboaran-dalana, toy ny lalana manodidina ny 30 kilometatra an-drenivohitr’i Toamasina, asa avokoa izany rehetra izany.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: