Anosizato sy Ampefiloha : Lehilahy roa tratra nanao hala-boty

Vaosambotry ny polisim-pirenena tetsy Anosizato sy Ampefiloha, omaly, ny lehilahy roa. Tratra nanao hala-boty sy sinto-mahery ary harom-paosy izy ireo.
Jiolahy iray nisintona ny kitapo sy findain’ny mpitondra moto iray tetsy Anosizato, omaly tamin’ny 01 ora tolakandro. Nanararaotra ny fitohanan’ny fifamoivoizana nisy teny an-toerana izy, ka nisintona ny kitapo sy findain’ny mpitondra moto iray. Nahita izany ny polisy misahana ny fifamoivoizana teny an-toerana, ka nanenjika io olon-dratsy io. Voasambotra tsy lavitra teo izy ary nentina teny amin’ny biraon’ny Kaomisarian’ny boriborintany fahadimy Mahamasina.
Ankoatra izay, lehilahy iray hafa tratra nanao sinto-mahery tetsy amin’ny faritra Ampefiloha, omaly tamin’ny 03 ora tolakandro. Nampiahiahy ny polisy ny fihetsiny ary narahi-maso. Nikasa hisintona findain’olona izy ary tratra avy hatrany. Nosamborina ihany koa ary nentina eny amin’ny biraon’ny Polisy Ampefiloha. Atolotra ny fitsarana moa ny raharaha aorian’ny famotorana. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: