Nesorin’ireo tsy valahara ny taovam-pananahan’ny zaza fito taona hita faty tao Mahatazana, kaominina Andilamena, faritra Alaotra Mangoro, ny marain’ny alahady 7 septambra teo. Mpivarotra ny ray aman-drenin’io zazalahy io ka matetika ajanon’ny ray aman-dreniny ao an-trano ireo zanany. Tsy tsikaritry ny manodidina, araka izany, ny tsy fahitana ilay zaza raha tsy efa tonga tao an-tanàna ny ray aman-dreniny. Nampandre ny manam-pahefana avy hatrany ireto farany sady nikaroka an’i Arison izay zaza tsy hita.
Nifanome tanàna nikaroka io zaza io ny zandary sy ny fokonolona. Hita tsy lavitra ny tanàna ilay zaza saingy efa tsy nisy aina intsony. Nataon’ny mpitsabo fizahana ny vatana mangatsiaka ka voamarina fa novoinoina ilay zaza. Tsy hita teo aminy intsony ny taovam-pananahany. Niroso tamin’ny famotorana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka olona telo voasambotra. Ahina ho nandray anjara tamin’io vonoan’olona io ireo notanana vonjimaika ireo. Naverina amin’ny fianakaviany taorian’ny fizahan’ny mpitsabo ny nofo mangatsiakan’io zaza hita faty io. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsiferana R.




