Niharan-doza sy nivadika ny kamiao mpitatitra entana iray tetsy Antakavana, disitrikan’Akazobe, ny zoma teo. Ankizy efatra mianadahy niara-maty voatsindrin’ny vary tamin’ny gony tao anaty fiara. Olona roa hafa naratra mafy.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Antakavana, distrikan’Ankazobe, ny zoma hariva tamin’ny 7 ora sasany hariva. Kamiao Mercedes Benz, mpitatitra entana, nentina lehilahy iray 39 taona, no nivadika ka nianjera tamin’ny mpandeha maromaro. Ankizy efatra niara-maty tsy tra-drano ary olona roa hafa naratra vokatr’izany. Nitranga teo amin’ny lalana mampitohy ny tanànan’ny Firarazana, kaominina Antakavana sy Andilamenabe. 5 km miala ny kaominina. Avy any Ampitiliana, hihazo an’Ankazobe io fiara io ary izao niharan-doza izao. Nisedra fahasahiranana teny an-dalana vokatry ny haratsian’ny lalana ny mpamilin’ny fiara, raha ny fanazavana voaray. Niala lalan-dratsy izy ka nahatonga ny fiara nivadika. Nitondra vary 80 gony sy katsaka 1 gony ary voanjo 3 gony izy ireo. Mpandeha enina no voatsindry tamin’izany. Vokany, ankizy efatra niara-maty tsy tra-drano. Nahitana zaza kambana roa, samy 7 taona, ankizy 9 taona iray ary tovovavy 14 taona. Vehivavy iray 35 taona sy zatovo 15 taona iray kosa naratra mafy. Nentina nihazo ny hopitaly avy hatrany moa ireo naratra ireo mba hahazo fitsaboana.
Natao andrimaso ny mpamily
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary avy ao Antakavana niaraka tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Taorian’ny fanadihadiana, nosamborina avy hatrany ny mpamily nahavanon-doza. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandary ao Ankazobe ny tenany. Natao am-balam-pamonjana kosa ilay fiara. Taorian’ny fizahana, naverina tamin’ny fianakaviany avokoa ireo razana. Mitohy ny fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana.
Mino




