Famonoana Karana : Voasambotra ireo dimy nahavanon-doza

Niakatra fampanoavana omaly ireo olona dimy voasambotra, voarohirohy tamin’ny famonoana karana, 67 taona, sy fandrobana tranombarotra tany amin’ny fokontany Manga – Mahajanga, ny 22 aogositra atoandro. Anisan’ny nahavanon-doza, namono na­hafaty io karana tompon’ny tranom-barotra io, ny lehilahy mpitarika posy sady mpitatitra entam-barotra mivezivezy isan’andro eny an-toerana. Mpi­asa ao amin’ilay karana ny iray hafa, mpivarotra ivelan’ny tranombarotra ny iray, ary olona nosokajian’ilay raim-pianakaviana namoy ny ainy, ho zanaka an-trano efa mpivezivezy ao ny iray.
Raha tsiahivina, notafihin’ny jiolahy tsy misaron-tava tao amin’ny toeram-pivarotany ny karana mpandraharaha ara-barotra iray, ny zoma 22 aogositra teo. Maty notsindromina sy nofiraina tamin’ny zava-maranitra ny tendan’io karana io. Lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vola mitentina 2 400 000 Ariary niaraka tamin’ ny entam-barotra vitsivitsy. Voarakitra tao anaty ” Caméra de surveillance” ny fihetsika sy ny endrik’ireo roa lahy na­nafika. Nanomboka teo ny fikarohana sy nahatrarana ireo jiolahy miisa dimy ireo. Voasambotry ny polisy tamin’ ny 25 aogositra teo ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Voa­sam­botry ny zandary kosa ny telo hafa. Mbola mitohy ny fikarohana ireo naman’ireo olon-dratsy hafa.

Mino

Partager sur: