Nosy Ste Marie : Mampiavaka azy ny fahadiovana sy ny tantaran’ireo jiolahin-tsambo

Madio, miavaka amin’ ireo nosy rehetra eto Madagasikara i Sainte Marie. Manana ny foto-pivelomany sy mampalaza azy ity faritra iray ity. Maro ireo olona nanaovana fanadihadiana teny an-toerana, saingy nisafidy ny tsy hitonona anarana noho ny antony manokana.

Nosy iray any amin’ny fa­ritra atsinanan’i Mada­gasikara i Sainte Marie. Toerana iray tena miavaka ary mahasintona mpizahatany sy mpiala sasatra izy ity. Araka ny fanadihadiana natao sy ny hita tany an-toerana, ny volana aogositra lasa teo, mampiavaka azy ny resaka fahadiovana sy ny fandriampahalemana.
“Tanàna iray tena milamina, tsy dia ahitana korontana sy resaka halatra ny aty Sain­te Marie. Tsy misy maka ny tsy an’azy izany aty”, hoy ny olon-tsotra iray, any an-toerana, izay avy any Antanana­ri­vo, ka lasa nifindra monina any noho ny asa. Nomarihiny fa efa ho fito taona izay ny te­nany no nipetraka any.
Ny tontolon’ny varotra sy ny jono no fiveloman’ny olona, ary amin’ny vanim-potoan’ny fialantsasatra vao mahazo tom­bony kokoa ry zareo. Ma­tetika lalovan’ny andro ratsy ity nosy ity, ary miteraka olana ho an’ireo mponina izany. Maro amin-dry zareo no tsy afaka manjono sy mandefa entana amin’ny sambo.
“Mandalo olana kely foana ny aty an-toerana, vao ratsy ny toetr’andro. Mijanona tanteraka ny jono, tsy misy mahazo mandeha ny sambo mitondra olona sy entana, araka izany”, hoy ihany ity olona iray avy any an-toerana ity.

Lafo ny vidim-piainana

Tsikaritra nandritra ny fandalovana tany an-toerana fa somary manatombo 25 % amin’ ny vidin’ny entana aty Antana­na­rivo, ny vokatra any Sainte Marie. Efa mahatratra hatramin’ny 1 200 Ariary ny fanjifana ny atody iray. Tsy izany ihany, tombanan’ireo mpivarotra, 4 000 Ariary ny kilaon’ny vary. Manodidina ny 24 000 Ar kosa ny kilaon’ny hena any amin’ity nosy ity.
“Raha hisafidy ny hanao fialantsasatra tsara aty Sainte Marie, mila manomana eo amin’ny dimy hetsy Ariary eo vao afapo tsara. Raha ho anay manokana izao, lelavola efa ho iray tapitrisa ariary no laninay”. Io no nambaran’ilay renim-pianakaviana iray, mi­tondra ny zanany miala sasatra any an-toerana.
Ankoatra izay, tsy dia ahitana fiara mpitatitra ny vahoaka na bus, toy ny hita amin’ny faritra sasany, any Sainte Marie, fa ireo Tuc-tuc no misahana ny fitanterana any.

Mampalaza ny toerana…

Araka ny fanazavana azo tamin’ireo olona tany an-toerana, manana ny tantarany sy mampalaza azy i Sainte Marie. Anisan’izany ny resaka jiolahin-tsambo “Pirates”. Efa nialofan’ireo piraty tao, nanomboka ny taona 1500 hatramin’ny taona 1870 tany ho any, ary Nosy Boraha ny anarany tamin’izany fotoana izany.
Maro amin’ireo jiolahy ireo no nanaovana fasana any an-toerana, anisan’ireo kalaza tamin’izany, i William Kidd, Thomas Tew, Olivier Levasseur.
“Hatramin’izao, tsy mbola hita ny harenan’ireo “Pirates”, izay voalaza fa very teto amin’ity nosy ity”, hoy ny olona iray miasa ao amin’ny fasan’ny “Pirates”. Ankoatra izay, faritra iray hahitana ny fampisehoan’ireo trozona “Festival des Baleines”, ihany koa ity toerana ity, indrindra fa ny fotoanan’ny fialantsasatra.
Ny tena hitiavan’ny olona an’ity nosy iray any Atsinanana ity, ilay ranomasina madio sy tsy manonja loatra.

Nanatontosa : Fitia Randria

Partager sur: