Tovolahy iray 14 taona lasan’ny ranomasina teo amin’ny torapasika manoloana an’i Marina Beach, ao Toamasina, omaly atoandro. Niaraka nandro sy nilalao ranomasina izy sy ny namany omaly. Nia-niakatra anefa ny onjan-drano tamin’ny 2 ora sy sasany atoandro tany ho any, ka niha nilentika izy roa lahy ireo. Samy niezaka mafy niakatra an-tanety izy roa lahy, saingy mafy loatra ny hamafin’ny onjan-dranomasina. Niha reraka ary nitarika fahatoranana teo amin’ilay namany iray izany, raha ny fitantaran’ny namany tafavoaka velona. Efa nobatain’ny olona teny amoron-dranomasina vao taitra rehefa tsy nahita ilay namany. Nilaza ho tsy nahita ny nisy ilay tovolahy lasan’ny rano kosa ireo olona teny amoron-dranomasina.
Nampandrenesina avy hatrany ny fokonolona sy ny manam-pahefana taorian’ny tsy fahitana ilay tovolahy io. Natao ny vonjy taitra hikarohana azy io. Hatramin’ny omaly, tsy mbola hita io tovolahy io omaly hariva tamin’ny 6 ora.
Ankoatra izay, tovolahy iray 18 taona ihany koa lasan’ny ranomasina Libanona tany Fort- Dauphin ny alahady lasa teo. Nilomano teo amoron-dranomasina izy io sy ny namany roa hafa. Lasan’ny rano ny iray raha toa ka avotra soa aman-tsara kosa ireo roa ambiny. Afakomaly vao hita ny vatana mangatsiakan’io olona io.
Mino




