Araka ny efa notaterina teto matetika, itrangana fanafihana mitam-piadiana ny fokontany maro ao Toamasina, toy ny ao Depôt fahefatra sy ny ao Tanamakoa. Tamin’ity farany rahateo no nahitana tokantranona mpanao gazety voatafika sy voaromba fitaovana maro, tsy ela akory izay. Araka izany, ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata teo, nirefodrefotra ny basy tao Tanamakoany, teo anelanelan’ny roa ora hatramin’ ny telo ora maraina, izay nahalavo jiolahy roa. Mbola karohina kosa ny naman’izy ireo efatra mirahalahy tafatsoaka nandritra ny fifampitifirana. Sarona nandritra izany ny basy poleta iray sy bala miisa efatra.
Voambana Ndremory, izay no anarana voaray nandritra ny fakan’ny fianakaviana ny iray tamin’ ireo roa lahy. Avy any Ambovombe Androy ny fiaviany, raha ny voalazan’ny fianakaviana tetsy amin’ny tranompatin’ny Hopitaly be, ny atoandron’ny talata teo. Raha ny angom-baovao ihany, fiverenana fanindroany hanatanteraka fanafihana mitam-piadiana tamin’ ity tokatrano ao Tanamakoa ity izy io, mbola ireto andian-
jiolahy miisa enina no efa nandroba tao amina mpamongady iray tao Ambohijafy.
Sajo




