Mampihoron-koditra ny trangan-javatra mahazo ny ankizy malagasy eto amintsika. Tsy voahaja sy goragora ny fanaraha-maso, indrindra ny fampiharana ny fanajana ny zon’ izy ireo.
Tranga hita eny anivon’ny fianakaviana sy fiarahamonina. Mirongatra eo anivon’ny fianakaviana na havana mifanakaiky ny fanolanana ankizivavy zanaky ny havany akaiky. Matetika ny dadatoa, dadabe, dadafara, vadin’i Neny na raikelin’ny niharam-boina ireo mahavanon-doza. Eo koa ny tranga asehon’ ny rafi-piarahamonina, ny mpifanolobodirindrina, ny naman’i Dada sy i Neny, ny tovolahy mpiara-mianatra. Tena mampihoron-koditra ihany koa ny fahitana mpampianatra sy mpanabe, mpiara-mivavaka, eny hatramina pasitera sy mpitondra fivavahana sy ny maro hafa, mahavanon-doza.
Amin’ny ankapobeny, voararan’ny fehezan-dalàna famaizana malagasy, laharana faha-332, ny fanolanana ankizivavy tsy ampy taona. Mahavoasazy 20 hatramin’ny 30 taona izany. Raha misy herisetra sy vono ka mitondra ratra na famoizana aina kosa ny trangana fanolanana dia henjehin’ny fehezan-dalàna famaizana, laharana 302-304 izany. Mahavoasazy higadra mandra-pahafaty. Mbola tsy mihatra araka ny lalana ireo rehetra ireo noho ny fanelanelanana, ny kolikoly, sy ny maro hafa, raha ny fanadihadiana rehetra natao teo amin’ny sehatra sy ny sampandraharaham-panjakana misehatra amin’ny ady ho fiarovana ny zon’ny ankizy.
Zava-poana ny mety hoavin’ ny ankizy eo anivon’ny fianakaviana sahirana sy salantsalany satria tsy afaka hiady eo anatrehan’ny fitsarana izy ireo. Tsy ampy fiarovana sy tsy afaka hampiasa mpisolovava hiaro ny zananivavy niharan’ny herisetra. Fantatra izany nandritra ny fanadihadiana rehetra teny anivon’ny fotoam-pitsarana, teo anivon’ny polisy sy ny zandary manao ny famotorana savaranonando sy fikarohana ny fandikan-dalana. Raha tsorina, betsaka ny niharam-boina noho ny fanolanana ny zanany tsy ampy taona, tsy afapo amin’ny vokatry ny didim-pitsarana.
Sakafo no olana tsy handehanan’ny ankizy any an-tsekoly
« Manana zo fototra ho azy ny ankizy. Raha tiana ny hisian’ ny hoavy mamiratra ho azy ireo, ny fampiharana izany no zava-dehibe », hoy i Zafitsarana Maria Christine, mpandrindram-paritra Atsinanana an’ny Plateforme Hina na Hetsika iraisana natokana ho an’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nambarany fa sakafo no fototry ny olana, izay no mahatonga ny ankizy tsy handeha an-tsekoly. Vao tsy ampy sakafo ny ao an-tokantrano, aleon’ny ray aman-dreny mandefa ny zanany hangataka, na hiasa toy ny mamaky vato, mitondra varotra etsy sy eroa.
Zo fototra ny hianatra. Amin’ izay lafiny iray izay, efa maro ny trangana fanolanana ataona mpampianatra mpanabe. Toy ny hita tao Vavatenina, ny lehiben’ny faripiadidiam-pampianarana mihitsy no nahavanon-doza ka nahabevohoka mpianatra latsaky ny 15 taona. Toy izany koa ny tao Toamasina, raha tsy ilaza afa-tsy ireo. Ho an’ ireto farany, tambazana naoty sy vola atao fanampin-tsakafo ny ankizy mpianatra mba hahafahana manao firaisana ara-nofo aminy.

Zo fototry ny maha olombelona
Zo fototry ny ankizy ny ho salama, hitafy, hilalao, hanana ray aman-dreny sy ny maro hafa. Ho an’i Zafitsarana Maria Christine, mazava ny fanambarany fa raha tsara fiofanana sy mikambana anivon’ny tambajotram-pikambanana miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny renim-pianakaviana sy ny ankizy izy ireny dia moramora ny fiarovana azy. Anisan’izany ny FPFE na Féderation pour la promotion féminine et enfantine. Ity farany izay tohanan’ny AFD ar-bolabola, sy ny VMLF na Vondrona miralenta ho an’ny fampandrosoana. Tanjona amin’ ireo rehetra ireo ny hampahalalana bebe kokoa ny renim-pianakaviana ny zony sy ny zon’ny ankizy manoloana ny fananjariana sakafo sy ady amin’ny herisetra.
Ankatok’izao fidiran’ny mpianatra izao, hita mibaribary ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny hampiditra ny zanany, misy rahateo ny sahy milaza fa tsy afaka hampiditra ny zanany an-tsekoly.
Feno 77 taona amin’ny 10 desambra izao ny fifanarahan’ ny Firenena mikambana mahakasika ny lalàna nametrahana ny zon’olombelona maneran-tany. Mbola betsaka ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fampiharana izany zo fototra maha olombelona izany eto amintsika, indrindra ny ankizy sy ny marefo. Iray amin’ ny tsy isitrahan’ny olom-pirenena izany ny fiarovana manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, raha tsy ilaza afa-tsy ny eto Toamasina. Ho an’ny marary saina, efa misy toeram-
pitsaboana fametrahana azy, ary ny mpitsabo ihany no tompon-teny farany amin’ izany. Manana zo harovana ny ain’ izy ireny.
Goragora ny fiarovana ny ain’olombelona raha ny fandriampahalemana no resahina, izay tena mirongatra tokoa. Tsy voahaja, noho izany, ny zo harovana sy miana anaty filaminana.
Nanatontosa : Sajo




