Tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’i Lucas kely ny reniny niteraka azy sy ny mpimasy iray tao Antanetibe, distrikan’i Faratsiho. Notanana am-ponja ireo olona telo voasaringotra, afakomaly.
Natsikafin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa ny renin’i Lucas kely ihany no namono nahafaty azy tao Ambatomitety, fokontany Antanetibe, distrikan’i Faratsiho, ny 31 jolay lasa teo. « Fifaneraserana akaiky tamin’ny mpanao ody ratsy no anton’ny namonoiny ny renim-pianakaviana ny zanany», hoy ny fanazavan’ny polisy miasa eo anivon’ny fitaleavam-paritra ao Vakinakaratra, omaly. Naharay fitarainana avy amin’ny olon-tsotra ny mpitandro filaminana, ny 31 jolay. Very tamin’izany, ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy vao iray volana monja. «Nikaroka ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana saingy tsy nahita na inona na inona tamin’io andro io», hoy ny fanampim-panazavana. Hitan’izy ireo anefa ilay ramatoa sy ny zaza, ny 1 aogositra saingy efa tsy nisy aina intsony ny zaza teny an-tanany.
Olona roa voasaringotra
Nosamborin’ny mpitandro filaminana natao famotorana ilay lehilahy mpanao ody. Voamarina tamin’ny alalan’ny fanadihadiana fa nanosika ilay ramatoa hamono ny menaky ny ainy ny fifandraisany tamin’ilay mpimasy. Vehivavy iray hafa notanana ka niaraka natolotra fampanoavana tamin’ireo olona roa ireo. «Nampifandray ny renin’ilay zaza sy ny mpimasy io ramatoa io», hoy ny loharanom-baovao. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny alarobia 12 aogositra teo ireo olona telo voarohirohy. Notanana vonjimaika any am-ponja avokoa izy ireo.
Tsiferana R.




