Kilan’ny afo tanteraka ny trano manodidina ny 75 tafo any amin’ny fokontany Ankadimena, kaominina Fierenana, disitrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly alina. May tao avokoa ny biby fiompy rehetra, ny vola tahiry, ny vary, hatramin’ny entana rehetra tao anatiny, raha ny tatitra voaray. Levon’ny afo ary lasa lavenonana avokoa ny trano sy ny entana rehetra tao anatiny.
Nisy doro tanety tany an-toerana ka nihitatra tamin’ireo trano fonenana, antony nitarika izao fahamaizana izao. Nisy pitik’afo nentin’ny rivotra avy lavitra, nahazo ny tafon-trano ka nitarika ny firehetana, raha ny fanazavana voaray. Nihitatra haingana be ny afo ary nahazo ireo trano rehetra any an-toerana. Samy nanavotra ny ainy ny mponina, tsy nisy entana afaka nobataina satria haingana be ny fisehoan’ny loza.
Misokatra ny fanadihadiana mahakasika izao loza izao, iandraiketan’ny zandary any Mahatsinjo. Mangataka ny tomponandraiki-panjakana ambony ihany koa ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Fierenana mba hijery izao zava-doza mahazo ny mponina izao.
Mino




