Nanomboka ny talata ary haharitra efatr’andro ny hetsika « les doctoriales », andiany faha-11. Tontosaina eny amin’ny tranom-bokin’ny Oniversiten’Antananarivo Ankatso izany.
Hetsika ifanakalozan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, manana ny mari-pahaizana “doctorat”. Natao hampivondronana ireo doctorants eny anivon’ny Oniversiten’Antananarivo sy avy any amin’ny faritra ary ireo oniversite sasany eto Antananarivo sy avy any Afrika ity hetsika ity. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Innovation Malagasy pour un avenir durable”. Tanjona ny hampiroboroboana ny voka-pikarohana mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ilain’ny firenena. Mba hahatrarana ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Ares Belgique nahafahana nanao izao hetsika izao.
Misy ny fampirantina ireo voka-pikarohana nataon’ireo doctorants ireo eny an-toerana. Misehatra amin’ny lafin-javatra maro ny asa fikarohana hita eny, amin’ny ankapobeny. Ho fampahafantarana ireo asa fikarohana nataon’ireo doctorants eny anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Mivondrona ao anatin’ny lohahevitra miisa dimy ireo tetikasa ampirantiana. Ahitana ny fikarohana mahakasika ny zavamaniry, zavamanaina, ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, ny tontolon’ny teknolojia, toy ny electronika ary ny fiovan’ny toetr’andro.
Misy ny fanofanana
Hisy ny fanofanana ireo doctorants na ireo mpianatra miofana hahazo izany mari-pahaizana izany. “Izy ireo no solofo sy dimby hanolo ireo mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo atsy ho atsy”, hoy ny filoha lefitra miandraikitra ny fikarohana sy ny fiovana, Rabetokotany Nantenaina. Hisy koa ny fanofanana ao anatin’ny hetsika doctoriale, toy ny tontolon’ny serasera, ny fanoratana ny tetikasa miendrika lahatsoratra siantifika, mba hahazoana famatsiam-bola. Noho izany, mila manana ny fahaizany izy ireo, amin’ny alalan’ny fampitany ny asa fikarohana ataony. Mila mahay mitady famatsiam-bola ihany koa izy ireo hoentiny manatanteraka ny asa fikarohana ataony. Ankoatra izay, hisy ny fifaninana ataon’ireo doctorants ireo mahakasika ny fikarohana, hampisehoan’izy ireo ny tetikasany any amin’ny andro fahefatra.
Manambana hisy fisarahana ny eo amin’ny Science dur sy ny Sciences humaines, raha ny zava-misy eto Madagasikara. “Tanjona amin’ity hetsika ity ny hisian’ny fiaraha-miasa sy fifampifangaroana eo amin’ireo sehatra ireo”,hoy ihany izy. Eo koa ny tsy hahatonga ny tetikasa hijanona ho angon-kevitra fotsiny fa tena hotontosaina ary hitondrana fiovana goavana eto amin’ny firenena, raha ny nambarany hatrany.
1 000 isa ireo doctorants
Manodidina ny 1 000 isa mahery ny isan’ny doctorants, raha ny antontanisa voaray. Mandray anjara amin’ny hetsika doctoriale kosa ny 90 amin’izy ireo. Misy ny avy eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny oniversite rahavavy ary ny avy amin’ny Oniversite afrikanina izay tohanan’ny Ares. Mizara any anaty Ecole doctorales miisa 13 ireo doctorants ireo. Misehatra amin’ny lafin-javatra maro, toy ny fahasalamana, ny fizika, Matematika, ny siansa sy ny hafa.

Misokatra anio ny «Salon de l’étudiant»
Tanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Esplanade Ankatso, ny « Salon de l’étudiant, 2025 ». Hetsika karakarain’ny Oniversiten’Antananarivo, iarahany miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro. Lohahevitra ny hoe : « Université d’Antananarivo, ensemble pour une université résiliente, innovante et inclusive” na Oniversiten’Antananarivo, miara-mientana ho oniversite mahazaka olana, mihavao ary misokatra ho an’ny rehetra ». “Tanjon’ny hetsika ny hanomezana vaovao mazava sy feno ho an’ireo mpianatra sy ray aman-dreny momba ny lalam-pianarana azo arahina sy ny sehatra azo iasana ary ny vinavina amin’ny ho avy”, hoy ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Randrianasolo Rivoarison, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Ankatso, afakomaly.
Ahitana tranoheva manodidina ny 71 eny an-toerana. Misy ny torolalana ho an’ny mpianatra vao afaka fanadinana bakalorea na ireo hanohy fianarana eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Misy koa ny karazam-panentanana, valandresaka ampahafantarana ireo sampam-pianarana misy eny an-toerana. Ampahafantarina ny sehatrasa azo hidirana aorian’ny fianarana. Hampiavaka ny hetsika ny fizahana fahasalamana maimaimpoana ho an’ireo mpitsidika rehetra, toy ny fijerena maso, diabeta, fitsapana tosidra sy ny maro hafa.
Nanatontosa : Mino




