Fitadiavan-karena tafahoatra : Zazalahikely natao sorona !

Notapahan-doha ho sorona hitadiavana vatosoa ny zazalahikely vao fito taona. Tra-tehaka tao Andilamena ny nahavanon-doza. Maty voatifitra sy nodoran’ny fokonolona i Pasy, iray tamin’izy ireo.

Nikasa handositra i Pasy teny am-pijerena ny toerana nanaovan’izy ireo sorona ilay zazalahikely fito taona. Nampitandrina azy hijanona ny zandary avy ao amin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Andilame­na, fa nandositra ihany izy. Voatery nitifitra azy ny zandary ka lavo izy. Tsy nihonona tamin’izany ireo mponina any an-toerana fa nandoro ny vatana mangatsiakany ihany koa, omaly maraina. Tsy navelan’izy ireo raha tsy lasa lavenona tanteraka.
Raha tsiahivina, hita faty efa tapa-doha sy tsy nisy taovam-pananahana intsony ny zazalahikely vao fito taona monja, ny 7 septambra lasa teo. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary, olona telo voasambotra. Nidina ifotony hatrany ireo zandary nikaroka ny nahavanon-doza. Nahitana hazo nihoson-dra ny tokantrano iray tao Mahatazana, trano nipetrahan’io olon-dratsy voatifitra io. Nahitana ra efa mai­na koa ny sisin-dalana mankany amin’ny tranony sy ny vavahady havia sy havanana. Niaiky moa ity farany fa izy no tompon’antoka tamin’ny famonoana sy fanapahan-doha io ankizy io.

Natao sorona
Novonoina natao sorona hitrandrahana vatosoa io za­zalahikely io, raha ny tatitra voaray. Tany Ambohibe, fo­kontany Ambatolampy, kaominina ambanivohitra Bemaitso, distrikan’Andilamena, no na­natanterahan’ireto olon-dratsy ireto ny fandatsahan-dra. Toerana misy tendrombohitra masina fanompoana sy fanasinana ody. « Mampanjary amin’ny fitrandrahana vatosoa ny anton’ny nanaovana io sorona io», hoy i Pasy, nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary taminy. Hita tao an-toerana voalaza avokoa ireo fanatitra sy ny sorona natao. Mbola nisy ra efa maina ny vato nametrahana izany, taorian’ny fizahana ny toerana nataon’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ilay nahavanon-doza.
Mbola misy namany roa hafa, mpitrandraka vato, niara-nanatanteraka taminy ny famonoana karohin’ny mpitandro filaminana.

Mino

Partager sur: