Raim-pianakaviana iray hita faty teny amin’ny reninanon’Ikopa, manakaiky ny Digue Andohatapenaka, afakomaly maraina. Mpanarato teny an-toerana, avy any Ambohitrimanjaka, no nahita razana, ka nampandre ny tomponandraikitra. Nisaringotra tao amin’ny haratony ny tongotr’ilay olona maty. Nampiakatra ny razana hita teny an-tanety ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Nitondra izany teny anivon’ny tranom-paty kosa ny avy amin’ny BMH. Nahitana mangana ny faritry ny lohan’io raim-pianakaviana hita faty io.
Niala ny trano fonenany, teny Ampasika izy, ny alatsinainy, taorian’ny fandresen’ny ekipan’ny Barea tamin’ny lalao fifaninana Mondial. Tsy tafody tany an-trano intsony izy ary izao hita faty tao anaty ranon’Ikopa izao. Nambaran’ny fianakaviany fa efa nisotro toaka izy, tamin’io fotoana nahitana azy farany io. Niroso tamin’ny fikarohana ny fianakaviana saingy tsy nahitam-bokany izany. Mety ho nisy namono io lehilahy io, raha ny ahiahin’ny fianakavian’ny maty. Hametraka fitoriana ireto farany.
Mino




