Tsy navela hamonjy alim-pandihizana : Notsatohany antsy ny mpampiasa azy

Notsatotsatohany antsy ireo mpivady mpampiasa azy, tany Andravola, Vohipeno, Ambatolampy, afakomaly. Noho izy tsy navela hanatrika alim-pandihizana amin’ny famadihana no antony. Voasambotra tany Ambohimandroso, omaly maraina, izy.

Tovolahy mpiasa an-tra­no. Voasambotra omaly maraina tany amin’ny tobim-piantsonana Ambohi­man­droso ny tovolahy iray 18 taona, mpanampy an-trano, tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo mpivady niasany. Tany amin’ny fokontany Andra­vola Vohipeno, distrikan’Am­ba­tolampy, faritra Vakinanka­ratra, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva, no nitrangan’ny ha­bibiana. Mbola nihoson-dra ary nikasa hitsoaka tany Anta­nifotsy, izay tanindrazana niaviany, io nahavanon-doza io.
Tsiahivina, hita faty nihoson-dra tao an-trano fonenany, tao amin’ny fokontany Andravola Vohipeno, ny mpivady roa, afakomaly hariva. Nahitana dian’antsy maro ny vatan’izy mivady, nandritra ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Naheno antso vonjy tao an-trano ny mpiray monina ka nampandre ny mpitandro filaminana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatolampy taorian’ny antso. Tsy nahitana fahavakisan-trano ary nipetraka avy hatrany tany amin’io mpanampy io ny ahiahy. Natao ny fikarohana sy ny sakan-dalana rehetra ka izao nahatrarana azy teny Ambohimandroso izao.

Tsy navela hamonjy famadihana
Nitrangana fifamaliana teo amin’izy mivady sy ilay mpanampy nandritra ny fotoana ni­sakafoana hariva. Nisy fa­ma­­dihana maromaro teny amin’ny faritra nisy azy ireo. Nanga­ta­ka handeha hamonjy alim-pandihizana any amin’ireo fa­madiha­na voalaza ilay mpanampy. Tsy navelan’izy mivady izy ka tezitra. Nandray antsy avy hatrany ity farany ary nanatsatoka izany tany amin’ilay raim-pianakaviana. Nitohy tany amin’ilay renim-pianakaviana indray izany avy eo. Lasa nitsoaka moa izy tao­rian’ny asa ratsy nataony. Mbo­la nahavita niantso vonjy moa ilay ramatoa taorian’ny loza nahazo azy ka izay no nanaitra ny manodidina. Ni­aiky ny heloka nataony moa io tovolahy io nandritra ny fanadihadiana na­taon’ny zandary azy.

Mino

Partager sur: