Tovolahy natelin’ny ranomasina : Hita afakomaly ny vatana mangatsiakany

Hita afakomaly tamin’ny 8 ora alina, tany amin’ny fari-dranomasin’i Fenoarivo Atsi­nanana, 5 km miala an’i Toa­masina, ny vatana mangatsiakan’ilay tovolahy 14 taona, na­telin’ny ranomasina, ny talata atoandro teo. Mpanarato no nahita ny razana natsingevan’ ny ranomasina ka nampiakatra izany an-tanety. Efa lanin’ny trondro ny masony ary niofaka ny tarehiny, taminn’ny fotoana nahitana ny razana. Nitarika ny namany handeha hilomano io tovolahy maty io nanomboka ny alatsinainy lasa teo, saingy tsy nanaiky ireo namany. Efa nandindona ity tovolahy ity ny andro nahafatesany talohan’io, raha ny fitantaran’ny namany. Efa na­nafatra ireo namany ihany koa izy mahakasika ny hira hatao amin’ny fiandrasam-paty re­hefa maty izy.
Tsiahivina fa niaraka nandro sy nilalao ranomasina teo amin’ny torapasika manoloana an’i Marina Beach, ao Toamasina, izy sy ny namany, tamin’ny talata lasa teo. Niha niakatra anefa ny onjan-drano tamin’ny 2 ora sy sasany atoandro tany ho any, ka niha nilentika izy roa lahy. Samy niezaka mafy hiakatra an-ta­nety izy ireo, saingy mafy loatra ny hamafin’ny onja. Niha reraka ary nitarika fahatoranana teo amin’ilay namany iray izany, raha ny fitantaran’ny namany tafavoaka ve­lo­na. Avotra soa aman-tsara ity fa­rany raha toa ka lasan’ny ra­nomasina kosa ity hita faty afakomaly ity.

Mino

Partager sur: