MFFT : Hitondra fanavaozana amin’ny fananan-tany

Nanao fampivondronana teo amin’ny fanjakana sy ireo mpisehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, omaly, tetsy Anosy.

Nihaona sy nitafa tamin’ireo sehatra tsy miankina ny minisiteran’ny Fi­tsinjaram-pahefana sy ny fa­najariana ny tany (MFFT), omaly, tetsy Anosy. Tanjona tamin’izany ny hampahafantarana ireo dingana lehibe efa vita sy ny vinavina amin’ny fa­navaozana ny sehatry ny fa­nanan-tany eto Madagasika­ra. Araka ny fanazavana voaray, omaly, teny an-toerana, efa taona maro no niasan’ny MFFT nanatanterahana ny fanovana ny fototra eo amin’ity sehatra ity. Mikendry ny hanamafisana ny zon’ny tsirairay ireo fanavaozana natao ireo, ary hanome ainga vao ny fomba fitantanana sy hampitombo ny fisarihana ny fampiasam-bola anatiny sy iraisam-pirenena. Nambaran’ireo tomponandraikitra fa dingana lehibe izy ity ho fanamafisana ny fifandraisana misy eo amin’ ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Araka ny nambaran’ny Tale jeneralin’ny Ta­hirimbola nasionaly ho an’ny fananan-tany (FNF): “Miton­dra fanavaozana lehibe ho an’ ny sehatry ny fizakana tany izao dingana izao. Havaozina sy hatsaraina ny angon-drakitra rehetra momba ny tanim-panjakana, ary hajanona ireo fifanarahana tsy mitondra soa ho an’ny firenena.” Raha ny filazan’ireo tomponandraikitra, anisan’ny antony iray lehibe na­naovana ity hetsika ity ny ha­nanganana rafitra mazava sy mangarahara, hanamafisana ny fahatokisan’ny mpampiasa vola, ary hampisy tontolo iasana milamina sy maharitra. Ny fanavaozana ny sehatry ny fananan-tany dia heverina ho fototra hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Marihi­na fa ity fihaonana ity, teo amba­ny fiahian’ny Tahirim­bola na­sionaly ho an’ny fananan-tany (FNF) sy ny fitaleavana ambony misahana ny fananan-tany (DGSF), ary no­karakaraina tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Economic De­velopment Board of Mada­gas­car (EDBM).

F.R

Partager sur: