Polisin’ny tontolo iainana: Fitaovana vaovao hitiliana ny kalitaon’ny rivotra

Natolotry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), omaly, ny fitaovana sy kojakoja manokana ho ampiasain’ireo manamboninahitra polisin’ny tontolo iainana, Officier de police judiciaire de l’environnement (OPJE) miisa 60. Miisa 23 ireo fitaovana, ahitana fitiliana entona, fandrefesana ny tahan’ny setroka avoakan’ny fiarakodia, ny tahan’ny merkiora amin’ny rivotra, ny rano ary ny tany. Ny Fitanta­na­na foibe ny aro loza amin’ny fifamoivoizana (DGSR) no hisitraka ireo fitaovana ireo, ha­namafisana ny fisorohana sy ny fampanarahan-dalana iadiana amin’ny fandotoana.
Tanteraka ity fiaraha-mi­asa ity noho ny tetikasa Planet Gold Madagasikara, fama­tsiam-bola avy amin’ny Tahi­rimbola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (FEM) ary tantanin’ny Onudi. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny fifanarahana Minamata mom­ba ny merkiora. Nilaza ny mi­nisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Andonirina Max Fontaine, fa hanamafisana ny fitaovana hoenti-miasan’ireo OPJE ity hetsika ity. Ilaina to­koa izany, satria miantraika amin’ny fahasalaman’ny olombelona ny fahalotoan’ny rivotra.
Miara-miasa amin’ny tetikasa Planet Gold Madagasi­kara ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd), ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, amin’ny alalan’ny ATT, ny Zandarimaria ary ny Faha­sa­lamana.

Njaka A.

Partager sur: