Nodimandry ny vehivavy iray, 25 taona, mpandeha, sy ny mpamily nialana nenina teny anivon’ny hopitaly ity farany, saingy tsy tana koa ny ainy, taorian’ny lozam-piarakodia teny Anosy, ny marain’ny sabotsy 13 septambra teo.
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Anosy, afakomaly maraina tamin’ny 4ora sy sasany. Tra-doza tamin’ny lalana midina Isoraka mihazo an’Anosy ny fiara tsy mataho-dalana (4×4) marika toyata TX Prado iray. Tafavoaka ny lalana nisy fiolahana ny fiara. Nianjera tany amin’ny lalana ambany manamorona ny farihin’Anosy. Nivadika ambony ambany ary potika tanteraka. Vokany, naratra mafy ireo olona dimy tao anatin’ny fiara izay tanora vao erotrerony avokoa ny ankamaroany. Nentina nihazo ny hôpitaly HJRA Ampefiloha izy ireo taorian’ny loza. Tsy tana anefa ny ain’ny vehivavy iray 25 taona tao anatin’ny fiara, rehefa tonga teny amin’ny hôpitaly. Namoy ny ainy, afakomaly hariva ihany koa, ny mpamilin’ny fiara. Raha toa ka efa tsy nahatsiaro tena vokatry ny loza nahazo azy ireo. Naharay antso mahakasika ny fisian’ny loza ny polisy tamin’ny 4ora sy sasany maraina. Tsy niandry ela fa tonga teny an-toerana.
Hamamoana
Raha ny fantatra, mbola tao anatin’ny hamamoana ireo tanora niharan-doza ireo. Ny tsy fahazakana izany zava-pisotro misy alikaola izany no heverina ho nitarika ny loza. Nandeha mafy ihany koa izy ireo ka tsy nahatana ny familiana intsony ny mpamily. Antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola sy ny fandehanana mafy. Manentana hatrany ny mpitandro filaminana fa tsy miaraka ny toaka sy ny familiana. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly kosa ireo olona telo mianadahy hafa tao anatin’ny fiara. Manodidina ny 22 taona avokoa izy rehetra ireo. Efa natolotra ny fianakaviana avokoa ireo razana roa tamin’io lozam-pifamoivoizana io.
Mino




