Nanafika tsena : Roa lahy nofatoran’ny fokonolona

Nidiran’ny jiolahy an-keriny teo am-piomanana hanakaton-tsena ny mpivarotra iray ao Anjozoro Centre, fokontany Anjozoro, kaominina Manta­soa, distrikan’i Manjakan­driana, ny 12 septambra hariva. Nirongo fitaovam-piadiana, toy ny antsilava sy basy ireo olon-dratsy. Nanambana basy izy ireo no sady nitaky ny vola rehetra tao an-tsena. Norobainy tamin’izany ny vola 405 200 Ariary sy finday avo lenta roa ary sigara news roa fonosana. Mbola nisy olona saika hividy entana tamin’io fotoana io. Ity farany no nampandre ny fokonolona. Vetivety dia vory ny vahoaka ary nanenjika ireo olon-dratsy hatrany an-tanimbary. Vokany, voasambotry ny fokonolona ireo jiolahy. Nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny kaomandin’ny Tobim-paritra Mantasoa, ny 12 septambra lasa teo, tamin’ny 07 ora sy 10 minitra. Tsy niandry ela fa tonga nidina ifotony nijery ny zava-misy ny zandary miisa telo, taorian’ny antso. Efa nafatotra tamin’ny hazo mandra-pahatongan’ny zandary ireo nahavanon-doza. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary ireto olon-dratsy ireto taorian’izay, rehefa nohazavaina tamin’ny fokonolona fa tsy azo atao ny mamono azy ireo. Mbola tratra tany amin’izy ireo avokoa moa ireo entana nangalariny ary efa naverina amin’ny tompony.

Mino

Partager sur: