Ambohipihaonan’ireo mpanao politika namondrona hery eo anivon’ny vovonana “Lera” ny teny Andoharanofotsy, omaly. Notsinkafonin’izy ireo ambony ambany ny fitantanan’ny mpitondra ny firenena.
Nahitsy ny lahatenin’ny depiote Johasy Eléonore. “Lera izao, hanafahana ny jadona mihatra amin’ny vahoaka ary itsipahana ny mpitondra mambotry firenena… Lera izao hananganana ny hambo-po hamerenana ny fahefana any amin’ny tompony, eny ifotony…”, hoy izy.
Notakin’ny “Lera” ihany koa ny hanomezana toerana ny antoko politika eo anivon’ny Ceni sy ny amin’ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana. Ny hametrahana fitsipi-dalao mialoha ny fifidianana. Ny hamerana ny fampiasam-bola, mandritra sy mialoha ny propagandy. Hanarahana maso hentitra ny fifidianana, manomboka any amin’ny lisi-pifidianana, ny fiatrehana ny fifidianana, ny fanisam-bato, ny famoahana ny voka-pifidianana. “Mba tsy hananana ahiahy sy ho lavitry ny kiantranoantrano… Tsy ekena koa ny fanemorana ny fotoam-pifidiana. Ho tompon’andrakitra amin’ny hitranga eo ny mpitondra raha miseho izany”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa anisan’ny lohandohany mpitarika ny vovonana “Lera” ny depiote isany, Razarapiera Fidel, Razafimanantsoa Hanitra, Johasy Eléonore, Voninahitsy Jean Eugène… Niatrika izany kosa ireo solontenan’ny RMDM, ny HVM, ny TGV teo aloha sy ireo CT sy CST teo aloha koa.
Araka izany, ho tonga hatraiza izao fampivondronan-kery izao ? Efa nitondra sy nanana andraikitra teto amin’ny firenena ny maro amin’izy ireo : “Very seza”. Iza sy inona no tena ao ambadika sy tanjon’ny “Lera”?
Synèze R.