VAOVAO TAMBATRA

Hanomboka, afaka herinandro, ny fitaterana manokana ireo milina ho an’ny tobim-pamokarana herinaratra 105 W avy any Toamasina mankeny Ambo­himanambola. Efa vita ny asa nataon’ny minisiteran’ny Asa vaventy hanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’ny lalam-pirenena faha-2. Voalaza fa mahazaka tsara ireo milina milanja 60 t sy 70 t ny iray, ireo tetezana ireo, raha 40 t ny fetran-danja zakany andavanandro.

Masomboly karazany 19 no natolotra ny tantsaha tany Mahajanga, ny 12 septambra teo. Masomboly vokatry ny fikarohan’ny Fofifa, toy ny katsaka, apemba, mangahazo, voanjo, lojy, antsoroko, mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Nanohana ny hetsika ny tetikasa GIZ Prosol, vatsian’ny Fiaraha-miasa alemà, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana.

Natao ny 9 sy 10 septambra teo, teto Antananarivo, ny fiofanana ho an’ny mpiasan’ny ladoany. Izany dia niompana amin’ny ady amin’ny kolikoly, notohanan’ny Bianco sy ny Pnud. Tanjona ny hametrahana toe-tsaina madio sy mahitsy ary mandala ny mangaraharaha ho an’ny mpiasa. Hitohy any Toamasina ity fiofanana ity.

Partager sur: