Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andranomena, akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be 159, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva. Namoy ny ainy voafaokan’ ny fiara ny raim-pianakaviana iray, 46 taona. Olona 13 hafa ihany koa naratra ary mbola manaraka fitsaboana eny amin’ ny hopitaly Loterana Ambohibao sy Manara-penitra Andohatapenaka. Avy any Ambohidroa, hihazo an’Andranomena, ny fiara iray, marika Toyota, izay niavian’ny loza. Nentina lehilahy iray, 43 taona. Tapaka hisatra ny fiara rehefa nandalo ny lalana midina ary tsy nahafehy ny familiana intsony ny mpamily ka nifatratra tany amin’ireo mpandeha an-tongotra miisa 14 teny amin’ny sisin-dalana izany. Voasesy voadona sy voafaokan’ ny fiara avokoa ireo olona rehetra ireo. Vokany, naratra avokoa ireo olona 14 voadona ary nentina avy hatrany eny amin’ ny hopitaly Loterana Ambohibao sy Hopitaly Manara-penitra Andohatapenaka. Tsy tana anefa ny ain’ny rangahy iray, 46 taona, rehefa tonga teny amin’ny hopitaly.
Tonga teny an-toerana nisehoan’ny loza ny Brigade accidents de la circulation (BAC) sy ny polisy miasa avy amin’ny CSP6 Ambohimanarina. Ho fisorohana ny fitsaram-bahoaka, nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria foibe etsy Tsaralalana avy hatrany ny mpamilin’ny fiara taorian’ny loza.
Mino




