takalonaina tao Ankilimalinike: Tafatsoaka ny iray, roa mbola voatazon’ny jiolahy

Olona telo no nataon’ny jiolahy manodidina ny 10, taka­lonaina, tany amin’ny fokon­tany Saririaky, kaominina An­kilimalinike, distrika Toliara II, ny sabotsy 13 septambra teo. Noratrainy ireo olona ireo ary nentin’izy ireo nitsoaka tany anaty ala. Nampandrenesin’ ny sefo fokontany ny mpitandro filaminana, tamin’ny 3 ora tolakandro, ary nandeha ny fanarahan-dian’ny zandary, notronin’ny mpikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny filaminana, ny fikambanana Voro­mahery. Hita tany amin’ny lalan’Ampasimaliniky ny dian’ ny olon-dratsy ary nisy ny fi­fandonana. Nitifitra tamin’ny basy sy nampiasa pilotra ireo jiolahy. Niaro tena ny zandary, ary namaly ny tifitra. Naratra ny iray tamin’izy ireo, ary iray koa tamin’ny jiolahy. Vokany, tafa­tsoaka ny iray tamin’ireo olona natao takalonaina, raha mbola tazonin’ny jiolahy any kosa ny roa.
Tsy misy ifandraisany amin’ ny raharaha Base Toliara ity tranga ity, na fanahy inian’ny sasany hovana aza ny vaovao. Nikononkonona ity asan-jiolahy fakana an-keriny ity ny mpikambana ao anatin’ny fikambanana Mazoto. Efa maro amin’izy ireo no karohin’ny mpitandro filaminana, izay nanao fandikan-dalàna sy herisetra samihafa. Na izany aza, efa niverina ny filaminana any Benetse sy Ankilimalinike, ary mitohy ny fanadihadiana lalina ataon’ny zandary sy ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny.

Njaka A.

Partager sur: