Fanarenana ny lalam-pirenena faharoa : “Tsy maintsy tonga any an-dRenivohitra ireo milina goavan’ny Jirama”, hoy ny minisitry ny Asa vaventy

Nitsidika ny lalam-pirenena faharoa ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Nijery ny fizotran’ ny asa fanamboarana ny lalana sy nanome toromarika an’ireo orinasa mi­andraikitra ity tetikasa ity izy tamin’ izany.

Nanatanteraka fitsidi­hana ara-pomba ofi­sialy ny lalam-pirenena faharoa, manoloana ny asa fanarenana ataon’ireo orinasa nahazo ny tolobidy, ny mini­sitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore. Teo ihany koa ny fitsirihana ireo tetezana miisa 13, ma­nomboka ao Toamasina ka hatraty Antananarivo, izay ahina tsy hahazaka ireo milina. Misy milanja 90 taonina ny iray amin’ireo fitaovana ireo, ka tsy maintsy nasiana fanamafisana ny lalana holalo­vany ary nofaranana tamin’ny famoriana ireo tomponandraikitry ny orinasa miisa efatra mandray anjara amin’ny fanare­nana izany. Ankoatra ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, nanatrika izany ny Tale jeneralin’ny MTP, i Henrie Pierre, sy ireo delegasionina mafonja avy aty Anta­nanarivo.
Momba ireo tetezana in­dray, hita fa efa nohamafisina avokoa izay mety hahina tsy hahazaka ireo milina efa nian­tsona nandritra ny fotoana naharitra ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

Raha tsiahivina, tomba­nana ho 89 taona ny nahavitan’ ny lalam-pirenena faharoa. Fotodrafitrasa izay namboa­rina nandritra ny fanjanahantany, 1930-1936. Efa taty amin’ ny taona 1970-1972, nandritra ny fitondran’ny filoham-pire­nena, Tsiranana Philibert, in­dray no nohavaozina izany. Notohizan’ny fitondran’ny Tete­zamita ara-miaramila an’ny jeneraly Ramanantsoa, ny fanarenana lehibe indrindra. Amin’izao taona 2025 izao indray vao misy fanarenana heverina ho lehibe teo anelanelan’izay, na dia eo aza ny tsy nahafapo ny mpampiasa lalana

Ho nofinofy ny delestazy
ao Antananarivo

Fantatra fa aorian’ny fahatongavan’ireo milina goavana ireo, ho nofinofy sisa ny fahatapahan-jiro mitranga ao an-drenivohitra. Azo antoka, ha­treto, ny fivahan’ny olana amin’ ny herinaratra. Vokatry ny fankatoavana  am-bava ny tolo-kevitra natolotry ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tsy maintsy hikarohana va­haolana amin’ny fitaterana ireo milina nandritra ny filankevitra ny minisitra, ny alarobia 10 septambra lasa teo, raha tsiahivina, izany. Izay rehetra azo hitaterana azy tsy hisian’ ny loza sy fianjerana.
Ankilan’izay, tsotra ny tenin’ ny minisitry ny Asa vaventy, manoloana ireo tomponandraikitry ny orinasa miisa efatra nahazo ny tolobidy fa tsy afapo amin’ny ampahan-dalana vita ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka mampiasa ny lalam-pirenena faharoa. Ilana fanovana sy fanamafisana orina ny fitaovam-piasana sy ny olombelon’ny orinasa rehetra. “Manomboka ny 19, in­drindra ny 20 septambra, dia tsy tokony hisy lavaka ny lalam-pirenena faharoa, manomboka ao Toamasina, izay lalovan’ny fiara hitondra an’io milina lehiben’ny Jirama io. Raha misy fianjeran’ny milina, ka lavaka no mety ahatonga izany, tomponandraikitra izay orinasa misahana an’ilay tronçon ni­trangan’ny loza”, hoy ny minisitry ny Asa vaventy. Nohama­fisiny hatrany fa voalohany amin’ny “convois exceptionnels” io ka ny orinasa tsirairay dia mila mandray andraikitra mba tsy hisian’ny fahalatsa­hany. Tanjona amin’ny fahatongavany eto Antananarivo ny hanafoanana ny fahatapahan’ny herinaratra.

Hiova endrika ny fomba fiasa

Amin’ny akapobeny, ny orinasa “Colas” ihany, hita teo amin’ny tatitra nataony, no nihoatra ny fetra asa vitany. Ity orinasa ity izay misahana ny avy eo Brickaville hatreny Sa­valaina. Ampy ny azy ny fitaovana sy ny olombelona. Ma­nana faharetam-piasana ha­tramin’ny 18 volana izy, raha  ny 11 volana no efa vita ary ny “avancement” ny asa, mahatratra 47 isan-jato ary efa mihoatra ny 30 kilometatra ny halaviran-dalana vita.
Vokany, ho an’ ireo orinasa  telo  hafa, mbola latsaky ny 15 isan-jato amin’ny akapobeny, ny fahavitan’ny asa.
Izany rehetra izany dia nahitsin’ny minisitra, fa saika nataon’ireo orinasa fomba fialantsiny ny toetr’andro izay manorana matetika. Manaraka izany, taterin’ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa fa rehefa hisy manampahefana handalo vao mody apetraka  na aranty eny amoron-dalana ireo milina goavana. Rehefa  tsy izay kosa dia alefany manao asa hafa. Ankoatra izay, mety tsy manana karazana milina hiasa ho an’ny fanamboaran-dalana akory ny sasany any amin’ny bokin’andraikitra nifanaovana sonia, voasoratra any izany karazana milina rehetra izany mba hahazahoana ny tolotrasa.
“Manomboka maina ny andro, takina ny hanovan’ny orinasa ny fomba fiasany. Vao mihoatra ny volana novambra nefa dia efa hiditra indray ny fotoanan’ny rivodoza”, hoy ny minisitra. Ity farany izay mbola nanamafy fa ilàna ny hiasana alina sy ny fampitomboana
ny milina mba ho tratra ara-potoana ny fetrandro nape­traka, fa betsaka loatra ny fahatarana.
Afaka manome na mandray “sous traitant” ny orinasa izay mahatsapa fa tsy hahatratra ny fe-potoan’ny asa mifana­raka amin’ny bokin’andraikitra.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: