Fanafihana trano fandraisam-bahiny : Niampy enina indray ireo voarohirohy

Miampy enina indray ireo olona voasambotry ny polisy tamin’ny raharaha fanafihana trano fandraisam-bahiny iray tetsy Ankazomanga. Taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny Sampana miady amin’ny heloka bevava (Brigade Criminelle) sy ny Sag. Tratra teny Tsarahonenana ireo olona ireo, izay nahitana lehilahy efatra sy vehivavy roa. Antony nisamboran azy ireo ny fanaovana fikambanan-jiolahy. Hita tany amin’izy ireo ny lelavola 3 900 000 Ariary, finday maromaro, firavaka fito misy vato sarobidy izay mitombam-bidy hatrany amin’ny 20 tapitrisa Ariary ny iray. Miatrika fanadihadiana eo anivon’ny biraon’ny Polisim-pirenena izy rehetra ireo.
Tsiahivina fa notafihan’ny andian-jiolahy mitam-piadiana ny trano fandraisam-bahiny iray tetsy Ankazomanga, ny 10 septambra lasa teo. Norobain’izy ireo, tamin’izany, ny vola rehetra tao amin’io hotely io. Nandositra niaraka tamin’ny entana nangalariny ireo olon-dratsy tamin’ny fotoana nahatongavan’ny Sag teny an-toerana. Tratra teo am-baravarana nivoahany ny iray tamin’ireo jiolahy nanafika. Tafatsoaka niaraka tamin’ny kitapom-bola ny namany iray hafa. Hita teny amin’io voasambotra io ny finday, kitapo roa feno vola mitentina 118 000 000 Ar sy 26 000 000 Ariary ary vola vahiny mitentina 12 230 Dolara.

Mino

Partager sur: