Tsy zakan’ny mpampiasa kodiaran-droa toy ny moto sy ny kodiaran-telo toy ny Tuc-tuc ny fahatsaran’ny lalana, ankehitriny, ao an-drenivohitr’i Toamasina. Tia mietraketraka avokoa ny ankamaroan’ireo mpampiasa lalana. Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatràna mpitondra moto tamin’ny lalana vao vita ao Ankirihiry, ny alatsinainy 15 septambra, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Samy nandeha mafy izy roa ary iray zotra. Raha iny nihevitra ny hisongona ilay Tuc-tuc iny ilay mpitondra moto, nihodina tampoka niankavanana ilay mpamily Tuc-tuc ka nifandona ny roa tonta. Nipitika lavitra an’ilay moto ny tovolahy nitondra azy. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy io lehilahy io. Tsy nahina ny ainy.
Sajo




