Betafo : Nampivoatra an’i Clovis ny fiompiana omby

Tantsaha mpiompy omby any amin’ny distrika Betafo, faritra Vakinankaratra, Randrianantenaina Tiana Clovis. Nampivoatra ny fari-piainany ity fihariana ity. Satria omby iray no nanombohany. Nampitomboiny tsikelikely izany tamin’ny alalan’ny fakana taranaka, izany hoe, tsirinaina, teo anivon’ny Fifamanor. Nambarany fa somary lafo ny vidin’ny fakana taranaka, ary nisy fotoana sarotra ny fahitana azy. Nangatahin’i Tiana Clovis, ny hanamorana ny fahazoana manjifa izany. Nanaraka fiofanana ny tenany ary nampihariny avy hatrany izany. Nampirisika ny tanora izy tsy ho kivy fa hazoto hianatra sy hanaraka fiofanana hatrany.
Nitsidika ny toeram-piompian-dRandrianantenaina Tiana Clovis ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Hajarison François Sergio, ny herinandro lasa teo. Nan­kasitrahiny ny fahombiazana sy ny fikirizany satria azo alain-tahaka ny zava-bitany, indrindra ho an’ny tanora. Nohamafisiny fa vonona hatrany ny minisitera hanohana ny mpandraharaha mpisehatra tahaka izao.

Njaka A.

Partager sur: