Manao fitsirihana farany amin’ny fikarakaran’ny Malagasy ny fandraisana ny fivoriamben’ny tanora, «Youth Connekt Africa Summit 2025», i Yann Gwet, tale mpanatanteraka avy amin’ny Hub. Tonga teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), tetsy Ambohijatovo, izy, omaly. Nandray azy ny minisitra Moustapha Abdulah Marson. «Tsy mbola nisy firenena tena vonona ny handray ity hetsika ity, miohatra an’ i Madagasikara. Azo atao ny milaza ankehitriny fa efa vonona ny handray ny fivoriambe i Madagasikara», hoy i Yann Gwet, tale mpanatanteraka anivon’ny Hub “Youth Connekt Africa Sumit”, avy any Rwanda.
Araka ny fanazavana azo tamin’ny minisitry ny MJS, anisan’ny hetsika lehibe indrindra ho an’ny tanora manerana an’i Afrika ity hatao eto Madagasikara ity. Miisa 25 000 ny isan’ny tanora antenaina hanatrika izany, avy amin’ny firenena maro eto amin’ny kaontinanta afrikanina sy avy any an-kafa. Azo ampiasaina mandritra io hetsika io ireo fiara manara-penitra nandraisana ny fihaonamben’ny Sadc, miisa 40, sy ny Bus elektrika.
Hanome sehatra tsy manam-paharoa ho an’ny fifanakalozana sy ny fiaraha-mamorona ity fihaonambe ity. Hifantoka indrindra amin’ny fandraharahana amin’ny toekarena manga sy maitso, ny fanavaozana sy ny zava-baovao, ny fandriampahalemana sy ny fiarovana, ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fahasalaman’ny tanora, ary ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena. Hatao eto an-drenivohitra, manomboka ny 26-30 novambra ho avy izao, ny hetsika, ary miisa 37 ireo firenena ho tonga eto Madagasikara.
Fitia Randria




