Manetriketrika! Noraisina tamin’ny fomba miavaka teny amin’ny kaominina Bemasoandro ireo mpilalao telo mirahalahy, izay nandrafitra ny Barea, nitondra avo ny voninahi-pirenena, nandritra ny “Chan 2024”.
Ny alahady lasa teo, nafana sady nalaza teny amin’ny kaominina Bemasoandro sy tetsy Itaosy iray manontolo ny fandraisana an’ireo mpilalao telo mirahalahy, i Manda, Fenohasina Gilles, ary i Antonio, izay samy avy ao amin’ny klioban’ny Ajesaia. Tsiahivina fa nandrafitra ny Barean’i Madagasikara tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika tsy misy mpilaravinahitra (Chan) farany teo, izy ireo.
Ity hetsika ity izay nokarakarain’ny kaominin’i Bemasoandro, tarihin’ny ben’ny Tanàna, Ranitratsilo Jimmy, sy ny klioban’ny Ajesaia. Teny amin’ny tany malalaka Anosimasina no nifanome fotoana tamin’ireo mpankafy sy ny vahoaka ny mpilalaon’ny Barea. Nahasarika olona maro ny hetsika nanomboka teo amin’ny fiaingana hatramin’ny fahatongavana. Nisy hatrany ny filaharambe teny an-toerana. Araka ny fanazavana nomen’ny ben’ny Tanàna, nandalo tao Antanivory sy Ambelovatsy, avy eo nihazo ny biraon’ny kaominina, ny diabe nitondra ny Barea.
Tonga teny an-toerana ihany koa, sy nanatanteraka ny filaharambe, ny olona ivelan’ireo kaominina eny Itaosy. “Avy eny Andoharanofotsy ny tenako, faly aho satria nanao ny zava-bita tsara indrindra teto amin’ny firenena izy telo mirahalahy ireo, ka mendrika ny hotsenaina sy ho raisina amin’ny fomba manetriketrika tahaka izao”, hoy i Pierre, mpankafy baolina kitra.
Nomena fankasitrahana
Tao amin’ny kaominin’i Bemasoandro no nomena fankasitrahana manokana i Gilles Fenohasina, Manda Hasina ary Jean Antonio. Nandray azy ireo teny amin’ny Birao mihitsy ireo tomponandraikitra eny an-toerana sy ny lehiben’ny klioba ao amin’ny Ajesaia. Ankoatra ny taratasy fankasitrahana (certificat), nanolotra karatra maitso, ahafahana manao taratasy maimaimpoana ao amin’ny kaominina, ho an’ izy telo miralahy, ny kaominina Bemasoandro.
“Mendrika ny homena voninahitra ireo mpilalaon’ny Barea telo avy aty aminay ireo, satria tamin’iny Chan iny, tena reherahanay tokoa izy ireo. Manome ohatra tsara ho an’ireo tanora aty aminay izy ireo, ary mbola voaporofo izao fa tena taninketsan’ny mpilalao baolina kitra i Bemasoandro », hoy hatrany ny ben’ny Tanàna.

Mpilalao kalaza tao an-toerana…
Efa maro ireo mpilalao novolavolaina sy lasa mamiratra tao amin’ny ekipam-pirenena Barea tany aloha. Anisan’izany ry Voavy Paulin, Bolida, Abel Anicet, Mamy Gervais, Sedera, El Hadary, ary i Arnaud. Mbola mitohy foana izany, ankehitriny. Ankoatra izay, mangataka ny fitondram-panjakana ihany koa ny eny an-toerana mba hanaovana “gradins” sy “tribunes”, hahafahan’ny mpijery mankafy tsara ny baolina kitra any amin’ity kaominina ity.
Tsara fanomanana ny Disciples FC
Nanatanteraka lalao ara-pirahalahiana teny amin’ny Kianja Taninkatsaka Itaosy, ny ben’ny Tanàna. Nifanandrina tamin’izany, ny Disciples FC Vakinankaratra sy ny Ajesaia. Nivoaka ho mpandresy, 3 no ho 1, tamin’ity fihaonana ity, ny Disciples FC, ary azo lazaina fa tsara fanomanana tanteraka izy ireo. Nilaza ny filoha tomponandraikitry ny klioba Disciples FC, fa efa tafiditra anatin’ny Disciples Tour, izao fihaonana ara-pirahalahiana izao. Tamin’ity lalao ity, saika ireo solofo mpandimby ny zoky avokoa no najoro teny ambony kianja. Samy nilaza ny olona maro teny an-toerana fa manana taninketsa tsara avy ny ekipa roa tonta mpifanandrina saingy nanantombo tamin’ny lalao maro efa nataony ny Disciples FC.
Nanatontosa : Fitia Randria




