Tsy maintsy notapahina avy hatrany hisorohana ny mety hitaran’ny fiparitahan’ny mikraoba ny tongotry ny tovolahy 37 taona izay voahitsaka kamiao tsy nahy tao anatin’ny faritry ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly.
Nandriaka ny ra tao amin’ny faritra tsy lavitry ny seranan-tsambon’i Toamasina, omaly hariva tamin’ny 5 ora sy sasany. Mpiasa an-tselika misahana ny fibatana entana, “docker”, ity tratry ny lozam-pifamoivoizana tampoka ity. Tsy nisy asa natao io lehilahy io ka nikasa hamonjy fodiana. Nahatazana kamiao hivoaka ny vavahadin’ny serananana io lehilahy io ka niantsoantso. Narahiny hazakazaka io fihetsiny io ka avy hatrany dia nitsambikina tamin’ny varavarana havanana an’ilay kamiao izy. Tsy nahazo tsara ny faritry ny kamiao izay nokasainy hampiana ny tongony io lehilahy io ka niakarapoka avy hatrany. Nianjera izy ka voatetin’ny kodiaran’ilay fiarabe. Potika tanteraka ny tongony vokatr’io.
Notapahina
Niditra tamin’ny fanapahana avy hatrany ny tongotr’io niharam-boina io ireo nanatri-maso talohan’ny nitondran’ny olona azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Hisorohana ny fihanaky ny mikraoba amin’ny vatan’io lehilahy io no anton’izany, araka ny voalaza. Nanamafy ny Spat fa tsy anisan’ny mpiasan’ny seranan-tsambo ity “docker” tra-doza ity. Ilaina hatrany kosa ny fitandremana hisorohana ny voina tampoka tahak’izao nitranga tao Toamasina izao.
Sajo




