Nipoaka ny basy tetsy amin’ny Cimetière Anjanahary, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Lehilahy iray malaza amin’ny asa fanendahana no lavon’ny balan’ny polisy avy amin’ny ekipan’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) manao fanamiana sivily. Tratra teo am-panendahana mpandalo ny andian-jiolahy maromaro ka nosamborina avy hatrany. Nikasa hamely tamin’ny sabatra teny aminy ny iray tamin’ireo mpanendaka ireo. Nitifitra avy hatrany ny polisy ho fiarovan-tena ka nahalavo ity farany. Nandositra avy hatrany ireo namany hafa rehefa nahita izany ka tafaporitsaka.
Naharay fitarainana maro mahakasika ny fisian’ireo mpanendaka sy mpanao sinto-mahery amin’ny faritra eto Antananarivo ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP3 Antaninandro. Anisan’izany, ny etsy Andravoahangy, Ankadifotsy, Ambatomainty ary Anjanahary iny. Nanao paikady, araka izany, izy ireo mba hamongorana ireo mpanao ratsy ka izao nahalavo jiolahy iray izao indray. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa lehibena mpanendaka sady mpanao sinto-mahery efa mpamerin-keloka ity lavo ity.
Nentina nihazo ny tranom-paty etsy amin’ny HJRA Ampefiloha moa ny razana taorian’ny tranga. Mbola mitohy ny fikarohana ireo hafa tafatsoaka.
Mino




