Ahina ho lasan’olon-dratsy: Ankizy roa lahy karohin’ny fianakaviany

Zaza varira 7 taona antsoina hoe Fabien ny iray amin’ireo roa tsy hitan’ny fianakaviany nanomboka ny harivan’ny alatsinainy 14 septrambra lasa teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina ambanivohitra Satrokala, distrikan’Ihosy. Anadahin’ny renin’io zaza io i Saka, ankizilahy 16 taona tsy hita faharoa izay mpianatry ny CEG. “Tse­na aty aminay io alatsinainy io ka maro ireo olona mifamezivezy”, hoy ny nambaran-dRazafindravao Juliette, re­nin’i Fabien. Namonjy moron-drano hisasa tongotra ilay zandriny lahy rehefa avy nirava avy nianatra. Nentiny na­naraka azy ilay zanaky ny zokiny vavy. “Efa nody an-trano io zanako io ary niverina nihazo ny moron-drano tao Beravorano Atsimo”, hoy Ra­tolojanahary Mélanie, renin’i Saka. Namonjy tsena io re­nim-pianakaviana io ary hariva vao tafody tao aminy. Nahatsikaritra izy fa tsy mbola ao an-trano io zanany io ary tsy hita koa ilay zafikeliny. “Ni­antsoantso tamin’ny manodidina izahay rehefa nanomboka maizina ny andro saingy tsy hita izy roa lahy”, hoy ha­trany ny fanazavana. Hitan’ny olona nifampiresaka tamin’ny olona roa lahy ireo ankizy ireo io alatsinainy io. “Nilaza ho manana omby endrasana ireo roa lahy ka notaritiny nanaraka azy ireo zaza”, hoy ny renin’i Fabien. Tsy hita intsony izy roa lahy toarian’io.

Ahiahina
Nihetsika avy hatrany ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana taorian’ny naharaisany ny fitarainana. Olona efatra nosamborina atao famotorana momba io tranga io, omaly. Nahitan’ny mpanara-dia ra rahateo tsy lavitry ny tranon’ny iray tamin’ireo olona voasambotra ireo, tao Andiolava, manamorona tsy lavitry ny lalam-pirenena fahafito. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fanjavonan’ireo zaza ireo hatreto. Miaina anaty tebiteby fatratra ny ray aman-drenin’izy ireo, ankehitriny. Andrasana ny to­hin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana. Tsia­hivina, matetika lasibatra ireo zaza varira any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy tato ho ato, noho ny fanaovan’ireo olon-dratsy sorona azy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: