Faritra Atsinanana : Hatomboka ny Drafi-pampan­drosoana PRD 2025-2030

Anisan’ireo faritra miantoka ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny faritra Atsinanana. Efa manomboka mame­traka Drafi-pampandrosoana PRD 2025-2030 ireo mpiara-miombona antoka sy ny fanjakana.

Natao omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa fampahafantarana sy fanenta­nana ho an’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny Drafitra fampandrosoana isam-paritra (PRD) 2025-2030, an’ny faritra Atsi­nanana. Hetsika izay iarahana amin’ireo mpanohana ara-teknika avy amin’ny fandaharanasa sy fampandrosoana eo anivon’ny Firenena mikambana, PNUD, ary tanterahina eo ambany fiahian’ny minisiteran’ ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajarinana ny tany (MFFT).
Tanjona amin’izany ny hampahafantatra ny votoatin’ ny PRD sy ny hampifanaraka ny fiaraha-miasa amin’ireo laharam-pahamehana strate­jika napetraka. Hanamafisana ihany koa ny anjara birikin’ny tsirairay amin’ny fanatante­rahana ireo tetikasa maika ho an’ny faritra. Ny PRD 2025-2030 dia vokatry ny dingana niarahana namolavola tamin’ ireo mpisehatra rehetra manerana ny faritra. Kendrena amin’ ity drafitra ity ny hampiaka­rana ny tahan’ny tondro fampandrosoana maha olona (IDH) ho 0,088 sy hampihe­nana ny tahan’ny fahantrana hatrany amin’ny 10 % amin’ny taona 2030. Mitohy amin’ny PRD teo aloha (2020-2023) ity drafitra vaovao ity, ary mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana sy ny Tan­jona maharitra ho an’ny Fam­pandrosoana (ODD).

« Mandroso miaraka ho an’ny taranaka »
Mifototra amin’ny fiaraha-mamolavola, fiaraha-mamatsy vola ary fiaraha-manatante­raka ny fomba fiasa, araka ny teny faneva hoe: « Mandroso miaraka ho an’ny taranaka ». Ankoatra ny PNUD, miara-misalahy amin’ity hetsika fampandrosoana ny faritra Atsi­nanana ity ny Region Nor­man­die. Nilaza ny tomponandraikitra fa efa nisy foana ny fifandraisana mafonja teo amin’ izy ireo sy ny faritra Atsina­nana. Nahitana fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny asa sosialy sy fampiroboroboana ny toekarena.

Fitia Randria

Partager sur: