Hotanterahina manomboka anio sy rahampitso, etsy amin’ny Novotel Alarobia, ny fanombohan’ ny hetsika « Asises » izay manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa dia i Madagasikara sy i Frantsa. Raha tsy misy ny fiovana, ho avy hanokatra izany amin’ ny fomba ofisialy eny an-toerana, ny Filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry.
Hotanterahina ny 27-28 septambra ho avy izao, any Menabe, ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany, izay nampitondraina ny lohahevitra hoe: « Fizahantany miaraka amin’ny fiovana maharitra. » Ity hetsika ity izay hiarahan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) misalahy amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, (MPEB), ary ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD).
Notontosaina ny talata lasa teo, tany Analanjirofo, ny fivoriamben’ireo Chambre de commerce et de l’industrie, amin’ity faritra ity. Araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo, omaly, manan-danja tanteraka ny fivoriana, maro ny lahadinika nodinihina. Anisan’ izany ny momba ny tetibola fanampiny sy ny fanitsiana 2025, ny tatitra avy amin’ireo mpikambana CCGB, ary ny fanekena ny kaonty ara-pitantanana 2024.




