Efa nahitana ezaka goavana ny fitantanana ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina tao anatin’ny enim-bolana, raha ny zava-misy. Maro ny ezaka vita, toy ny fanaovana fotodrafitrasa sy ny fanampiana ny mpiara-belona.
Ambeti-tenin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, ny filazana fa tsy tokony hisy intsony ny disitrika na kaominina hadino amin’ny fampandrosoana eny itofony. Nataon’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina ho vaindohan-draharaha ny fanatrarana izany. Mifanindran-dalana tamin’ny fampielezan-kevitra sy fampanantenana ny vahoakan’i Toamasina, nataony nandritra ny fifidianana farany rahateo koa izany. Enim-bolana izay no nitantanan’ny ben’ny Tanàna Andriafanomezantsoa Alain, na i Zoky Alain, ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina. Maro ny ezaka sy zava-bita ary hita fa efa mihoatra ny tanjona notratrarina izany. Tao anatin’ny enim-bolana, efa hita taratra ny maha renivohitra ara-toekaren’i Madagasikara an’i Toamasina.
Manome lanja ny tanora sy ny fanatanjahantena ny ben’ny Tanàna sy ireo ekipa mandrafitra ny fiadidian’ny kaominina. Amin’ny ankapobeny, saika tanora avokoa ny mandrafitra ny ekipany. Noho izany, tsy ataony ambanin-javatra ny fikojakojana ny kianja rehetra misy ao an-toerana. Singanina manokana amin’izany ny Kianja manara-penitra ao Mangarano, satria efa voakojakoja ary madio ny toerana, raha oharina tamin’ny teo aloha.
Manana risipo, noho izany, ireo tanora sy zokiolona mpitia fanatanjahantena. Toy izany koa ny fisian’ny kianja mitafo manara-penitra « Arena », izay vao nohavaozin’ny mpitantana tamin’ny alalan’ny “Elite Communication”, ny sabotsy 13 septambra lasa teo. Nanatrika izany ny minisitra roa. Noporofoin’ny katitakely latsaky ny 12 taona, Ascut, teo amin’ny sehatry ny taranja basikety rahateo izany, tamin’ny fandrombahany ny amboaran’i Madagasikara. Nankasitrahin’ny ben’ny Tanàna manokana ny filohan’ny Repoblika, ny Praiminisitra ary ny minisitry ny Tanora sy fanatanjahantena nandritra ny fanolorana ny fotodrafitrasa azo ampiasaina amin’ny hetsika maroloko.
Nanampy ny mponina sahirana
Tsy nodinganin’ny ben’ny Tanàna sy ramatoa vadiny ny maha andro ririnina sy fotoana fampidirana mpianatra ho an’ny taom-pianarana 2025-2026 ity volana ity. Nanatanteraka famorana faobe nitety firaisana ny ben’ny Tanàna sy ramatoa vadiny. Betsaka ireo tokantrano misedra fahasahiranana ka tsy afaka manao famorana ny zanany. Antony nahatonga azy ireo nanao ny hetsika. Noho izany, maro ireo ankizilahy nisitraka izany sy nahazo kilalao sy mofomamy.
Anatin’ny fampidirana mpianatra an-tsekoly izao ny ray aman-dreny. Maro ny fitarainana voaray noho ny hasarotan’ny fiainana, satria tsy manam-bola ny olona. Manoloana izany, nanao fitsirihana isam-pokontany ihany koa ny ben’ny Tanàna. Nofantenana ireo olona tena sahirana ary notolorana fitaovam-pianarana feno. Anisan’ny nisitraka izany ihany koa ny zanaka mpanao gazety 60 isa.
Ankoatra izay, efa afaka mamoaka karama “bon de caisse” roa volana isam-bolana ny eny anivon’ny kaominina. Hanetsemana ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa teo aloha no antony anaovana izany. Nampidirina mpiasa raikitra koa ireo mpanao asa an-tselika miisa 235. “Tanjona ny hanampiana azy ireo amin’ny zony”, hoy hatrany ny ben’ny Tanàna.

Fanokafana ny lalampasika
Nampiavaka ny fandraisan’ny ben’ny Tanàna ny asany tany am-boalohany ny fandravana ireo trano zary lasa sakana ho an’ny famonjena aina raha misy voina, toy ny haintrano, asan-jiolahy, fiterahana sy ny maro hafa. Ankehitriny, tsy maintsy nosokafana ny lalampasika mba hahafahan’ny fiaran’ny vondrona mpamonjy voina miditra rehefa misy tranga miseho. Toy izany koa ny fiara mpitondra marary ary ny fiaran’ny mpitandro filaminana manara-maso ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. Tombony ho an’ny fiarahamonina izany ary ho fanampiana ny mpitandro ny filaminana. Ankoatra izay, mbola nametrahana jiro cobra ihany koa ny lalampasika mba hanazavana ny lalana.
Manoloana ireo rehetra ireo, azo lazaina fa tratra ny tanjon’ny fampanantenana nataon’ity ben’ny Tanàna ity nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. “Azo lazaina fa efa mihoatra ny fetra ho an’ny enim-bolana voalohany aza izany », hoy izy.
Etsy ankilany, napetraka ihany koa ny lalàna mifehy ny fahadiovana isan-tokatrano sy ny fokontany tsirairay. Ezaka atao ny samy hanajan’ny tsirairay ny fahadiovan’ny tanàna sy ny manodidina azy. Anisan’ny novelomina ihany koa ny lafiny ara-tontolo iainana. Tanjona ny hahatongavan’ny tanànan’i Toamasina ho maha te hotia sy maha te honina. Eo koa ny hisitrahan’ny mponina ny rivotra madio mba ho antoky ny fahasalamana.
Nanatontosa : Sajo




