Kodiaran-droa nifandona: Olona telo naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatomirahavavy, omaly tamin’ny 1 ora latsaka fahefany. Niseho tamin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 20 + 100 Antanimenabe, kaominina ambanivohitra Ambatomiraha­vavy, distrika Arivonimamo. Nifandona sy nifampikasoka tao anaty fiolahana ny moto scooter marika Jinglang sy ny moto routière marika Loncin iray hafa. Avy any Antananarivo hihazo an’Imerintsiatosika ny iray. Raha toa ka avy any Imerin­tsiatosika hihazo an’Antananarivo kosa ny iray hafa.
Samy nandeha mafy sy nangalatra ny havanan’ny lalana izy ireo. Noho izany, nifampikasoka ary nianjera avokoa ireo kodiaran-droa sy ireo olona efatra nandeha taminy. Vokany, naratra mafy ny olona telo, anisan’ny voa mafy tamin’izany ireo mpamily ny moto tsirairay avy, 41 sy 26 taona. Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly HJRA Ampefiloha izy rehetra ireo taorian’ny loza. Notazomina ao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambatomirahavavy ireo kodiaran-droa. Hamafisina hatrany fa antony iray mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ny fandehanana mafy.

Mino

Partager sur: