Olona miisa fito niray tsikombakomba tamin’ny famonoana olona nosamborin’ny zandary tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Lehilahy iray hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Ambohitrimanjaka, ny 26 aogositra lasa teo. Vehivavy ny telo tamin’ireo voasambotra ary misy rohim-pihavanana tamin’ilay lehilahy novonoina. Nisy disadisam-pianakaviana teo amin’io lehilahy niharan’ny vonoan’olona io sy ireo telo mirahavavy ireo. Tsy nahatsindry fo, nanakarama olona namono an’io havany io ireo telo vavy. Nanome ny vola sy ny ody ratsy fampatoriana nandritra ny habibiana rahateo izy ireo. Raha tsiahivina, notafihin’ny jiolahy ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Antsahafohy, kaominina Ambanivohitra Ambohitrimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata 26 aogositra tamin’ny 11 ora teo. Namoy ny ainy rehefa novelesin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny vatan-kazo ny raim-pianakaviana iray 46 taona, tompon-trano. Nivoa-dra ny vavany, ny sofiny, ny orony, mangana ihany koa ny tendany. Naratra ny tratran’ny ramatoa vadiny. Lasan’ ireo olon-dratsy, tamin’izany, ny vola mitentina 1 500 000 Ariary sy ny finday iray, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny havan’ny maty. Niroso tamin’ ny fanadihadiana ny zandarimaria ka tratra tao Ampanotokana ireo nahavanon-doza.
Tsiferana R.




