Teratany vahiny iray niharan’ny asa ratsin’ireo tontakely teny Analakely, teo amin’ny firaisaina voalohany, omaly. Nandritra ny fisoratam-panambadiana ny maraina, nifanisika ny olona ka nanararaotra nisaka ny paosin’io teratany vahiny io ny mpanao ratsy. Lasibatra nandritra izany ny fitoeram-bola natao tao am-paosy. Nahare ny fisintoman’io mpangalatra io ny fitaovana tao am-paosiny ilay teratany vahiny. Tetsy ankilany, tsikaritry ny manodidina koa, ny fisian’io tontakely io. Nandositra avy hatrany ity farany. Raikitra ny fanenjehana ka tratra tsy lavitra ny toerana nanaovany ny asa ratsiny izy. Vola mitetina 100 euros no tao anatin’ny fitoeram-bola. Nentina anivon’ny manam-pahefana hatao fanadihadiana ka hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Tsiferana R.




