Ankeniheny-Zahamena: Nohamafisina ny traikefa fiarovana ny ala

Miditra ao anatin’ny vanim-potoana maintany isika izao. Nohamafisina ny fahaiza-manao sy ny traikefan’ireo mpisehatra any amin’ny Tandavanala Ankeniheny-Zahamena.

Natao ny 31 aogositra hatramin’ny 8 septambra teo ny fiofanana manokana ho an’ny Komity fanairana ifotony (CLV), misahana ny fanaraha-maso ny Faritra arovana any amin’ny Tandavanala Ankeniheny –Zahamena. Tanjona ny hanamafisana ny traikefan’izy ireo, amin’ny lafiny asa fitsirihana, ny fanafainganana ny fampitam-baovao, ny ady amin’ny doro ala sy ny tanety ary ny fanaovana tavy. Nampaha­fantarina sy nampahatsiahivina azy ireo, ny lalàna mifehy ny faritra arovana sy ny sazy ho an’ny mpandika lalàna.
Nisitraka fampitaovana hoenti-miasa ireo CLV sy ny Vondrona olona ifotony (VOI), hahafahana manatanteraka antsakany sy andavany ny asa fiarovana hataon’izy ireo. Anisan’izany ny any amin’ny kaominina Fito, Satrandroy, Ambodilazana, Antenina, sns. Fitaovana ilaina amin’ny fifandraisan-davitra (finday,…), jirokely, famonoana afo toy ny siny, koveta, antsibe, sns.

Heloka bevava ny fandoroana tanety

Mifandraika amin’izay ihany, nitety ny tsenan’ireo kaominina telo (Alatsinainy Ibity, Sahanivotry, Manan­dona) ao amin’ny disitrika Antsirabe II, ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Dredd) Vakinankaratra sy ny Missouri Botanical Garden (MBG), ny 8-11 septambra teo. Nampahafantarina ny maha zava-dehibe ny fikajiana ny ala, indrindra ny faritra arovana. Notsindrina manokana, fa heloka bevava ny fandoroana tanety sy ny ala anaty faritra arovana. Sazy henjana, fampidirana am-ponja miampy fandoavana onitra sy lamandy, no miandry izay tratra manao izany.
Nanotrona teny an-toerana ihany koa ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Zandarimariam-pirenena.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: