Hanomboka tsy ho ela ny fanorenana ny fotodrafitrasa lalana Flyover eny Anosizato. Efa nivoaka ny antso tolotrasa ho an’ny orinasa hanao ny fanorenana. Mitentina 25,2 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola, avy amin’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana an’i Afrika (Badea). Efa nisy ny antso tolotrasa iraisam-pirenena navoaka tamin’ny taona 2023 sy 2024, saingy tsy feno ny fepetra. Satria anisan’ny napetraka ny hisian’ny orinasa handray anjara hifaninana avy any Afrika na firenena Arabo, ary izao naverina izao. Tombanana hatao amin’ny 24 oktobra 2025 ho avy izao ny fanokafana ny valopy mirakitra antontan-taratasy misy ny tolo-bidy sy ny tolotrasa atolotry ny orinasa mpifaninana.
Goavana ny asa hatao. Hisy ny fananganana tetezana mihodina, « Flyover », eny Anosizato. Hitarina ny lalam-pirenena RN1, ho azon’ny fiara efatra mifavezivezy, (2 mandroso x 2 miverina), mirefy 1,8 km. Havaozina tanteraka ny lalam-pirenena RN58A, ilay antsoina hoe vahilava na « route digue », mirefy 8,5 km, miainga eny Ankadimbahoaka, mandalo ny Fasankarana, mankeny Anosizato.
Nanamafy ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore, fa tanjona amin’ny fananganana ity fotodrafitrasa ity ny hamahana ny olan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana, sady hitondra fampandrosoana rahateo.
Marihina, fa mbola hisy « Flyover » faharoa, ihany koa haorina eny Ampasika.
Njaka A.




