Kaominina Antambolo : Manomboka mamboly sakay pilokely sy vavamborona

Mpamboly avokoa ny 90% ny mponina any amin’ny kaominina Antambolo, distrika Arivonima­mo, faritra Itasy, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Maro ka­razana ny vokatra vokarin’izy ireo. Ahi­ta­na ny voatabia, ny voasary sy ny vary ary ny maro hafa.

Anisan’ny mamatsy vokatra voatabia ho an’ny ta­nànan’i Mahitsy, i Antam­bolo. Ankoatra izay, faritra iray ahitana voly voasary betsaka ihany koa ny any an-toerana. “Olana nisy teo aloha mahakasika io fambolena voasary io ny fisian’ny aretina antsoina hoe homamiadana”, hoy Randriamihantsa Lanto Tiana, ben’ny Tanànan’ny kaominina Antambolo, distrika Arivoni­mamo, faritra Itasy. Simba avokoa ny ankamaroan’ny vo­katra tamin’ity taona ity noho ny fisian’io aretina io, raha ny nambarany.
Tsy mionona amin’ireo ka­razana voly mahazatra ny tan­tsaha fa efa miezaka manao ireo voly tsy mahazatra ihany koa amin’izao fotoana izao. Ezaka ataon’ny kaominina sy ny mponina ao aminy ny fambolena sakay pilokely sy va­vamborona. Misy fidiram-bola betsaka ho an’ny tantsaha ny fiakaran’izany vokatra izany. “Raisin’ny mpanangom-bokatra manodidina ny 13 000 Ariary ny iray kilaon’ny vokatra sakay”, hoy izy. Nolazainy fa misy fahatsarana bebe kokoa izany, indrindra raha vita ny lalana hamoahana ny vokatra. Etsy ankilany, miara-miasa amin’ny famokarana Taf café, fambolena katsaka ary ny fa­mokarana sy fiompiana ny ka­razan’akoho antsoina hoe “combo” ihany koa izy ireo. Efa misy eo amin’ny 900 eo ireo akoho efa mihodina eny anivon’ny tantsaha amin’izao fotoana izao.
Olana goavana ny faharatsian-dalana

“Olana goavana any amba­nivohitra ny faharatsian-dalana”, hoy hatrany izy. Raha ho an’ity kaominina ity manokana, ratsy ary tsy azo andehanana intsony ny lalana manodidina ny 50km miala ny renivohitra rehefa vanim-potoan’ny orana. Anisan’izany ny lalana 22 km miala an’ Imerintsia­to­sika sy ny lalana 24 km mi­ala avy any Mahitsy. Manga­ta­ka fiaraha-miasa amin’ny Fanjakana sy ny Faritra ary ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny izy ireo mba hitady vahaolana amin’ny fanatsarana ny lalana. Nambarany fa efa mandray andraikitra amin’ny fanamboarana lalana sasany ny kaominina any an-toerana.
Ankoatra izay, ilaina ihany koa ny fametrahana ny sakana ho an’ny rano. Raha tsy voafehy ny rano dia zava-poana avokoa ny zava-drehetra. “Noho izany, rehefa tonga ny fahamainan’ny tany ka misy ny sakana dia afaka manao voly avotra ny tantsaha ary afaka mamokatra tsara”, hoy izy nanamafy.

Fiaraha-miasa amin’ny WMG

Maro ny ankizy afaka fa­na­dinana bakalorea nefa tsy ma­nam-bola ireo ray aman-dreniny hampianarana azy ireo eny amin’ny Oniversite. Ani­sany manampy betsaka azy ireo ny eo anivon’ny kaominina mba ha­hafahana mianatra. Zava-dehibe goavana mandritra izany ny fiaraha-mi­asa amin’ny fikambanana Wed­nesday Mor­ning Group (WMG). Niton­dra ankizy ma­nodidina ny 15 isa izy ireo mba hanaraka fiofanana ma­hakasika ny zaitra sy ny rafia. Tanjona ny hahafahan’ireo tanora ireo hahaleo tena sy hanana fidiram-bola rehefa vita ny fianarana. Zava-dehibe izany eo anivon’ny kaominina satria mitarika fampandrosoana.

Nampiditra 15 tapitrisa Ariary

“Efa nampiditra vola manodidina ny 15 tapitrisa Ariary ity kaominina ity tao anatin’ny enim-bolana nitantanana ny kaominina», hoy Randriamihantsa Lanto Tiana, ben’ny Tanànan’ ny kaominina Antambolo. Efa miala ao anatin’izany ny hetra sy ny karatany. Noho ny fitantanana madio sy mangaraharaha ny nahazahoana izany, raha ny fanazavany. Maro ny zavatra nohatsaraina ka nahatonga ny vahoaka ho resy lahatra fa tsara ny mifanome tanana ho fampandrosoana ny kaominina, raha ny nambarany. Ankoatra izay, efa misy ny asa kasain’izy ireo hatao, toy ny fanatsarana ny rano fisotro madio, ny tohatoha-bato mirefy 400 metatra ao anatin’ny kaominina.

Fandriampahalemana

Nametraka dinam-pokonolona ny kaominina mba hoentina miady amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana. « Ezahina ny hanapariaka izany manerana ireo fokontany tsirairay avy », hoy hatrany izy. Tanjona ny hahazoana tanàna miaina sy mandry ao anaty fahalemana.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: