Nivory ireo sefo fokontany 13 ao anatin’ny kaominina Ankilimaliniky Toliara II, ary namoaka fanambarana iombonana. Nitondra ny fitenenana ny sefo fokontany Tanora Faharoa. Nohelohin’izy ireo marindrano ilay asan-jiolahy niseho ny sabotsy 13 septambra teo. Fakana an-keriny natao takalonaina ny zanakay miisa 3 ireny zava-niseho ireny, hoy izy ireo. Tsy misy ifandraisany amin’ny lafiny politika sy ny tetikasa Base Toliara velively fa tena asan-jiolahy. « Tsy maintsy niaro tena ny mpitandro filaminana rehefa nanao vela-pandrika ireo mpanao ratsy, ka nahafaty ny iray tamin’ ireo mpaka takalonaina », hoy ny sefo fokontany Tanandava, i Fefetena.
Leo ny famoahana sy fanapariahana tsaho sy vaovao tsy marina ny vahoaka any an-toerana.
Resamba no anaran’ilay tafatsoaka teo am-pelatanan’ ireo jiolahy. Nambarany fa manodidina ny 10 eo ireo olon-dratsy, izay tena manana fitaovam-piadiana maro tokoa. Nilaza ny ben’ny Tanàna Ankilimaliniky, i Tsimiavotsy Maximin, fa « navadiky ny mpikambana ao amin’ny mpanohitra resaka politika ity raharaha ity. Ny lafiny fampandrosoana no laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka izao fa tsy karazan-javatra toy izany. Miantso ny tomponandraikitra ambony ny tenako hijery akaiky ity raharaha ity, satria tsy sahy miditra any anaty ala, ankehitriny, ny mponina noho ny tahotra ireo jiolahy ».
Njaka A.




