Hitantana sy hiaro ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina ny tetikasa Aro Fano. Ho hamafisina ny lalàna mahakasika azy.
Anisan’ny firenena manana harena voajanahary sy karazan-javamananaina tsy fahita firy maneran-tany i Madagasikara. Manana karazana soka-dranomasina miisa 5 amin’ny 8 misy maneran-tany ity nosy ity. Mihena ny isan’izy ireo, noho ny fihazana tsy ara-dalàna sy ny fihinanana azy, ny fanimbana ny toeram-ponenany ary ny fiovan’ny toetr’andro.
Toraka izany koa ny ahi-dranomasina, manana 12 amin’ireo 24 misy maneran-tany i Madagasikara. Manan-danja amin’ny sakafon’ny hazandranomasina sy ny fiompiana trondro ary ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro, satria mitahiry entona karbôna. Tandindomin-doza anefa izy ireo fa mihena 7% isan-taona, maneran-tany.
Manoloana ireo, misy ny tetikasa Aro Fano, mifantoka amin’ny fitantanana sy ny fiarovana ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina any amin’ny fari-dranomasina andrefana sy avaratra andrefan’i Madagasikara, miainga any Antsiranana hatrany Analalava, toerana tena ahitana ireo zavaboahary ireo. Tetikasa tohanan’ny Tahirimbola ho an’ny tontolo iainana maneran-tany (Fem/Gef). Manatanteraka azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), miara-miombon’antoka amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny tontolo iainana (PNUE/Unep). Haharitra 5 taona ity tetikasa ity.
Faritra arovana vaovao
Nampahafantarina omaly, ny tetikasa Aro Fano. Nilaza ny minisitra Medd, Andonirina Max Fontaine, fa mampiavaka ity tetikasa ity ny hanamafisana ny fampiharana ny lalàna, hiarovana ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina. Tafiditra ao anatin’ny tanjona ny hananganana faritra arovana vaovao, ny 30% an-tanety, an-dranomasina ny 30%, mialoha ny taona 2030. Tena hifantohana ny velon-tenan’ny mponina eny ifotony mba tsy hanimban’izy ireo ny harena voajanahary.
Njaka Andriantefiarinesy




